عَنْ عِمْرَانَ بْنِ حُصَيْنٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«خَيْرُكُمْ قَرْنِي، ثُمَّ الَّذِينَ يَلُونَهُمْ، ثُمَّ الَّذِينَ يَلُونَهُمْ» قَالَ عِمْرَانُ: لاَ أَدْرِي أَذَكَرَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بَعْدُ قَرْنَيْنِ أَوْ ثَلاَثَةً، قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «إِنَّ بَعْدَكُمْ قَوْمًا يَخُونُونَ وَلاَ يُؤْتَمَنُونَ، وَيَشْهَدُونَ وَلاَ يُسْتَشْهَدُونَ، وَيَنْذِرُونَ وَلاَ يَفُونَ، وَيَظْهَرُ فِيهِمُ السِّمَنُ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 2651]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Imran Ibn Hoswain (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ny tsara indrindra aminareo dia taonjatoko, avy eo ireo manaraka azy, avy eo ireo manaraka azy.” Hoy i Imran : Tsy fantatro na niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe afaka roa na telo taonjato. Hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ary ao aorianareo dia hisy olona hamadika ka tsy hatokisana, izay ho vavolombelona hanambara nefa tsy nangatahina fijorona vavolombelona, izay hampitandrina nefa tsy hatokisana hihena, ary hisy tavy hiseho ao aminy.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 2651]
Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa ny sokajin'olona tsara indrindra miangona ao anatin'ny vanim-potoana iray dia ny vanim-potona izay misy ny irak'Allah sy ny mpiara-dia aminy, avy eo ireo manaraka azy, izay misy ireo mpino nihaona tamin’ireo mpanaradia nefa tsy nihaona tamin’ny irak’Allah, dia ireo nanaraka azy ireo izay mpanara-dia ireo mpandimby azy dia nisalasala ny filazana ireo mpanara_dia azy ireo tamin’ny taonjato fahefatra. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) : Aorian'izy ireo dia hisy olona hamadika ary tsy matoky azy ireo ny olona, izy ireo hijoro vavolombelona mialohan'ny angatahana ny fijoroana vavolombelona aminy, ary mihoapefy amin'ny sakafony sy ny fisotrony mandra-pisehony ny matavy loatra ao aminy.