عَنْ عُثْمَانَ الشَّحَّامِ، قَالَ: انْطَلَقْتُ أَنَا وَفَرْقَدٌ السَّبَخِيُّ إِلَى مُسْلِمِ بْنِ أَبِي بَكْرَةَ وَهُوَ فِي أَرْضِهِ، فَدَخَلْنَا عَلَيْهِ فَقُلْنَا: هَلْ سَمِعْتَ أَبَاكَ يُحَدِّثُ فِي الْفِتَنِ حَدِيثًا؟ قَالَ: نَعَمْ، سَمِعْتُ أَبَا بَكْرَةَ رضي الله عنه يُحَدِّثُ، قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّهَا سَتَكُونُ فِتَنٌ، أَلَا ثُمَّ تَكُونُ فِتْنَةٌ الْقَاعِدُ فِيهَا خَيْرٌ مِنَ الْمَاشِي فِيهَا، وَالْمَاشِي فِيهَا خَيْرٌ مِنَ السَّاعِي إِلَيْهَا، أَلَا فَإِذَا نَزَلَتْ أَوْ وَقَعَتْ فَمَنْ كَانَ لَهُ إِبِلٌ فَلْيَلْحَقْ بِإِبِلِهِ، وَمَنْ كَانَتْ لَهُ غَنَمٌ فَلْيَلْحَقْ بِغَنَمِهِ، وَمَنْ كَانَتْ لَهُ أَرْضٌ فَلْيَلْحَقْ بِأَرْضِهِ»، قَالَ فَقَالَ رَجُلٌ: يَا رَسُولَ اللهِ أَرَأَيْتَ مَنْ لَمْ يَكُنْ لَهُ إِبِلٌ وَلَا غَنَمٌ وَلَا أَرْضٌ؟ قَالَ: «يَعْمِدُ إِلَى سَيْفِهِ فَيَدُقُّ عَلَى حَدِّهِ بِحَجَرٍ، ثُمَّ لِيَنْجُ إِنِ اسْتَطَاعَ النَّجَاءَ، اللهُمَّ هَلْ بَلَّغْتُ؟ اللهُمَّ هَلْ بَلَّغْتُ؟ اللهُمَّ هَلْ بَلَّغْتُ؟»، قَالَ: فَقَالَ رَجُلٌ: يَا رَسُولَ اللهِ أَرَأَيْتَ إِنْ أُكْرِهْتُ حَتَّى يُنْطَلَقَ بِي إِلَى أَحَدِ الصَّفَّيْنِ، أَوْ إِحْدَى الْفِئَتَيْنِ، فَضَرَبَنِي رَجُلٌ بِسَيْفِهِ، أَوْ يَجِيءُ سَهْمٌ فَيَقْتُلُنِي؟ قَالَ: «يَبُوءُ بِإِثْمِهِ وَإِثْمِكَ، وَيَكُونُ مِنْ أَصْحَابِ النَّارِ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2887]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Othman Al-Shaham niteny : Nankany amin'i Moslim bin Abi Bakra izaho sy Farqad Al-Sabkhi raha teo amin'ny taniny izy, ka niditra tao aminy izahay ary niteny hoe : Nandre ny rainao niresaka momba ny fakam-panahy ve ianao? Dia hoy izy namaly : Eny, nandre an'i Abo Bakra (R.A) aho niteny hoe : Hoy i Mpaminany (S.A.W) :
“Hisy fakam-panahy, ary izay mipetraka ao aminy dia ho tsara kokoa noho izay mandeha ao, ary izay mandeha ao dia tsara kokoa noho izay mihazakazaka manatona azy, Ka raha midina na tonga izany “Koa izay manana rameva dia aoka hifikitra amin’ny ramevany, ary izay manana ondry dia aoka hifikitra amin’ny ondriny, ary izay manana tany dia aoka izy hifikitra amin’ny taniny". Niteny : Hoy lehilahy iray : Ry Irak'Allah, ahoana raha misy olona tsy manana rameva na ondry na tany? dia namaly izy hoe : “Mitondra ny sabany izy ka mamely ny lelany amin’ny vato, ary manavo-tena raha afaka manao izany, Moave tsy efa nampita ny teny ve aho? Moave tsy efa nampita ny teny ve aho? Moave tsy efa nampita ny teny ve aho? Niteny izy : Dia hoy ny lehilahy iray : Ry irak’Allah ô, ahoana ny hevitrao raha voatery entina any amin’iray amin’ireo andian'olona roa aho, na any amin’ny iray amin’ireo vondrona roa? ka novelesiny tamin'ny sabany aho, na hisy balapilesy tonga hamono ahy? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Izy no hitondra ny fahotany sy ny fahotanao, ary ho anisan’ny mponin’ny helo izy.”
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2887]
Othman Al-Shaham sy Farqad Al-Sabkhi dia nanontany an'i Moslim, zanaky ny Swahaba lehibe Abo Bakra (R.A) : Moave ve izy nandre tamin'ny rainy resaka avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W) momba ny korontana sy ny ady mitranga eo amin'ny samy silamo? Dia namaly izy hoe : Eny, nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) fa hisy korontana aorian’ny fahafatesany, ary izay mipetraka sy tsy miraharaha izany dia tsara noho izay mandeha amin’izany nefa tsy manampo izany fa mitady izany, ary izay mandeha makany dia tsara noho izay mirohotra mitady azy sy mandray anjara amin'izany. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) dia nanome toromarika izay niaina na nitrangan'ny fotoan'ny korontana, ary raha mahita fialofana izy, dia aoka hialoka ao; Na izay manana rameva ho fiandrasana, aoka izy hanaraka ny ramevany, ary izay manana ondry ho fiandrasana, dia aoka izy hanaraka ny ondriny, ary izay manan-tany sy toeram-pambolena, dia aoka izy hanaraka ny taniny. Hoy ny lehilahy iray : Ry irak’Allah ô, raha misy olona tsy manan-kialofana na rameva, na ondry, na tany? Dia hoy izy : Miantehitra amin'ny fitaovam-piadiany izy ka manindrona azy ary manimba azy, dia mandositra ary mamonjy ny tenany sy ny zanany raha azony atao. Dia nijoro vavolombelona in-telo i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : Allah ô, tsy efa nampita ny hafatra ve aho? Allah ô, tsy efa nampita ny hafatra ve aho? Allah ô, tsy efa nampita ny hafatra ve aho? Hoy ny lehilahy iray : Ry irak’Allah ô, ahoana ny hevitrao raha voatery aho hikambana amin’ iray amin’ireo laharana roa, na amin’ny iray amin’ireo antokon’olona roa, ka nisy lehilahy namely ahy tamin’ny sabany, na nisy balapilesy tonga namono ahy? Hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Hiverina miaraka amin’ny fahotany sy ny fahotan’izay rehetra novonoiny izy, ary amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty dia ho anisan’ny mponin'ny Afobe izy.