+ -

عَنْ أُمِّ سَلَمَةَ أُمِّ المُؤمنين رضي الله عنها: أَنَّ رَسُولَ اللهِ صلى الله عليه وسلم قَالَ:
«سَتَكُونُ أُمَرَاءُ فَتَعْرِفُونَ وَتُنْكِرُونَ، فَمَنْ عَرَفَ بَرِئَ، وَمَنْ أَنْكَرَ سَلِمَ، وَلَكِنْ مَنْ رَضِيَ وَتَابَعَ» قَالُوا: أَفَلَا نُقَاتِلُهُمْ؟ قَالَ: «لَا، مَا صَلَّوْا».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1854]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Ommo Salama (R.A) renin'ireo mpino silamo : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Hisy mpitondra ka ho fantatrareo sy tsy ho ankasitrahinareo, ka izay mahalala dia ho afaka madio (amin'ny fahotana, na fihatsarambelatsihy), ary izay tsy mankasitraka dia ho voavonjy (amin'ny fiarahana mitsokombakomba), fa izay mankasitraka sy manaraka kosa.” Hoy izy ireo : Tsy tokony ho vonointsika ve izy ireo? Hoy izy : “Tsia, raha mbola nivavaka izy ireo.”

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nampahafantatra antsika ny Mpaminany (S.A.W) fa hisy mpitondra hifehy antsika, ary fantatsika ny sasany amin’ny asan’izy ireo, noho izy fantatra fa mifanaraka amin'ny lalàna silamika, ary lavintsika ny sasany amin'izany, satria mifanohitra aminy, Izay mankahala ao am-pony ny ratsy nefa tsy afaka handà izany; Afaka tamin’ny fahotana sy ny fihatsarambelatsihy izy. Ary izay afaka manohitra ny tsy mety amin’ny tànany na amin’ny lelany ka tsy nakasitrahiny ny fanaovan'izy ireo izany, dia afaka amin’ny fahota izy, ary tsy ho anisan'ny mpandray anjara amin’izany. Fa izay faly amin'ny ataon'izy ireo sy manaraka azy ireo dia ho rendrika tahaka ny naharendrika azy ireo.
Dia nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) izy ireo hoe : Tsy tokony hiady amin'ireo mpitondra manana izany toetra izany ve isika? Nandrara azy ireo tsy hanao izany izy, ka hoy izy hoe : Tsia, raha mbola manao fivavahana swalat eo aminareo izy ireo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Anisan'ny famantarana ny faminanian’ny Mpaminany (S.A.W) ny filazana ireo zavatra tsy hita maso izay hitranga ary ny fisehoany araka izay nolazany azy.
  2. Tsy azo atao ny mankasitraka ny ratsy na mandray anjara amin’izany, ary tsy maintsy toherina izany.
  3. Raha manao zavatra mifanohitra amin'ny lalàna silamika ny mpitondra dia tsy azo atao ny mankatò azy ireo amin'izany.
  4. Tsy azo atao ny mikomy ny mpitondra silamo; noho ny fanaovana izany hiteraka zava-doza sy rà mandriaka ary tsy filaminana, ka ny fiaretana amin'ny ratsy ataon'ny mpitondra mpanota, dia moramora kokoa noho izany.
  5. Zava-dehibe ny vavaka Swalat, satria io no mampiavaka ny mpikomy sy ny silamo.