+ -

عَنْ عَبْدِ اللهِ بنِ مَسْعُودٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«أَوَّلُ مَا يُقْضَى بَيْنَ النَّاسِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ فِي الدِّمَاءِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1678]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah Bin Mas’odi (R.A) : Niteny ny Irak'allah (S.A.W) manao hoe :
“Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 1678]

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra voalohany hotsaraina eo amin'ny samy olombelona amin'ny tsy rariny nifanaovan'izy ireo amin'ny andro farany dia ny rà, toy ny famonoana sy ny fandratrana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina Kanadianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Zava-dehibe ny resaka fandatsahan-drà, satria ny fiatombohan-javatra dia miainga amin'ny lehibe indrindra.
  2. Mitombo ny fahotana araka ny halehiben’ny fahasimbana aterany, ary ny fandatsahana ain’olona tsy manan-tsiny no anisan’ny fanimbana lehibe indrindra, ary tsy misy lehibe noho izy afa-tsy ny tsy finoana sy ny fanompoan-tsampy.