+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ:
كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، إِذَا كَبَّرَ فِي الصَّلَاةِ، سَكَتَ هُنَيَّةً قَبْلَ أَنْ يَقْرَأَ، فَقُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ بِأَبِي أَنْتَ وَأُمِّي أَرَأَيْتَ سُكُوتَكَ بَيْنَ التَّكْبِيرِ وَالْقِرَاءَةِ، مَا تَقُولُ؟ قَالَ «أَقُولُ: اللهُمَّ بَاعِدْ بَيْنِي وَبَيْنَ خَطَايَايَ كَمَا بَاعَدْتَ بَيْنَ الْمَشْرِقِ وَالْمَغْرِبِ، اللهُمَّ نَقِّنِي مِنْ خَطَايَايَ كَمَا يُنَقَّى الثَّوْبُ الْأَبْيَضُ مِنَ الدَّنَسِ، اللهُمَّ اغْسِلْنِي مِنْ خَطَايَايَ بِالثَّلْجِ وَالْمَاءِ وَالْبَرَدِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 598]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy :
Rehefa nanao takbir tamin'ny vavaka ny irak'Allah, dia nangina kely talohan'ny nitenenany, ka hoy aho : Ry irak'Allah ô, noho ny reniko sy ny raiko, inona no zavatra teneninao amin'ny fahanginana kely nataonao? Dia hoy izy namaly : “Miteny aho : Allah ô, halaviro amin’ny fahotako aho tahaka ny nanalaviranao ny Atsinanana sy Andrefana, Allah ô, diovy aho ho afaka amin’ny fahotako tahaka ny fanadiovana ny akanjo fotsy amin’ny loto“, Allah ô, sasao amin'ny fahotako aho amin’ny ranomandry sy ny rano ary ny havandra".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 598]

Ny fanazavana

Rehefa niteny "Allaho Akbar" ny Mpaminany (S.A.W), dia nangina kely izy talohan'ny namakiany ny Sorate Al-Fatihah, ary nanombohany ny soalat nataony tamin'ny fitalahoana sasany, ireto isan'ny voatoniny tao: "Allah ô, diovy aho ho afaka amin’ny fahotako tahaka ny fanadiovana ny akanjo fotsy amin’ny loto“, Allah ô, sasao amin'ny fahotako aho amin’ny ny rano sy ny lanezy ary ny havandra". Mangataka amin’I Allah Tsitoha izy hanalavitra azy amin’ny fahotana mba tsy ho latsaka ao anatin’izany, ka tsy hisy mihitsy ny fihaonana Aminy, toy ny tsy hisian’ny fihaonan’ny atsinanana sy ny andrefana ao Aminy, mba hanadiovana azy ho afaka amin’izany sy hanesorana azy toy ny fanesorana ny loto amin’ny lamba fotsy, ary hanasana azy amin’ny fahotany sy hampangatsiaka ny lelafo sy ny hafanana, amin'ny alàlan'ireo fanadiovana mangatsiaka ireo; Rano sy lanezy ary avandra.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana الموري Oromianina Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famakina mangina ny fangatahana fanokafana, na dia amin'ny vavaka tsy mamoaka feo.
  2. Fanirian'ireo mpanaradia hahalala ny toe-piainan'ny irak'I Allah amin'ny fihetsiny sy ny fonenany rehetra.
  3. Efa niseho amin'ny endrika hafa koa ny fangatahana fanokafana, ary tsara kokoa raha manaraka ny fangatahana voatonona sy voaporofo avy amin'ny Mpaminany (S.A.W), ary miteny ity izy indraindray ary miteny hafa izy amin'ny andro hafa.