+ -

عن أبِي هُرَيرةَ رضي الله عنه أنَّ رسول الله صلى الله عليه وسلمَ قال:
«إذا قُلْتَ لِصَاحِبِكَ: أَنْصِتْ، يومَ الجمعةِ، والْإِمامُ يَخْطُبُ، فَقَدْ لَغَوْتَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 851]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa iray amin'ireo fahalalam-pomba tsy maintsy atao ho an'izay manatrika ny toriteny zoma dia ny mihaino ny mpitoriteny, mba hisaintsainana ny toriteny, ary izay miteny - na dia zavatra kely indrindra aza - nefa mbola mitoriteny ny imam, ka miteny amin'ny hafa izy hoe : "Mangina ianao" ary "mihainoa", dia tsy nahazo ny valisoan'ny vavaka Zoma izy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fitenenana eo am-pihainoana ny toriteny, eny fa na dia amin’ny fanakanana amin'ny ratsy na ny famaliana ny fiarahabana na ny famalina ny mpievona.
  2. Tsongaina amin'izany ireo izay miresaka amin'ny imam na izay iresahan'ny imam.
  3. Azo atao ny miresaka eo anelanelan'ny toriteny roa raha ilaina.
  4. Raha voatonona ny anaran'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa manao toriteny ny imam, dia mandefa vavaka sy tso-drano ho azy am-pahanginana ianao, ary toy izany koa ny fitenenana AMINE rehefa mandeha ny Doan.
Fanampiny