عن أبي هريرة رضي الله عنه قال:
لعن رسول الله صلى الله عليه وسلم الرجل يلبس لِبْسَةَ المرأة، والمرأة تلبس لِبْسَةَ الرجل.

[صحيح] - [رواه النسائي في الكبرى وابن ماجه بمعناه وأحمد] - [السنن الكبرى للنسائي: 9209]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny :
I Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny lehilahy mitafy fitafin'ny vehivavy sy ny vehivavy mitafy fitafiny.

[Mari-pototra] - [رواه النسائي في الكبرى وابن ماجه بمعناه وأحمد] - [Al-Sonan Al-Kobrà an'i Al-Nasàì - 9209]

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nangataka ny fandroahana sy ny fanesorana amin'ny famindram-pon'I Allah ny lehilahy rehetra izay maka tahaka ny vehivavy amin'ny fitafy, na eo amin’ny bika aman’endrika, na loko, na fomba, na fomba fitafy, na haingo, na zavatra hafa, Na koa ho an'ny vehivavy maka tahaka ny fitafian'ny lehilahy, izay fahotana lehibe.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Hoy i Al-Shawkani : Voarara amin'ny vehivavy ny maka tahaka ny lehilahy ary ny lehilahy maka tahaka ny vehivavy. Satria ny ozona dia mihatra amin'ny asa voarara.
  2. Hoy I Ibn Othaymeen : Izay iraisan'izy ireo, toy ny akanjo sasany anaovan'ny lehilahy sy vehivavy, dia tsy misy maharatsy izany, izany hoe tsy misy maharatsy ny manao izany ny lehilahy sy ny vehivavy Satria miaraka.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (43)