عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَا أَسْفَلَ مِنَ الكَعْبَيْنِ مِنَ الإِزَارِ فَفِي النَّارِ».
[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 5787]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay akanjo ambanin'ny kitrokely dia ao amin'ny afo."
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 5787]
Nampitandrina ireo lehilahy i Mpaminany (S.A.W) mba tsy hamela ny zavatra rehetra mandrakotra ny vatany ambany, toy ny akanjo, pataloha, na zavatra hafa, eo ambanin'ny kitrokeliny, ary izay eo ambanin'ny kitrokeliny ny tongotr’izay mitafy lamba mifatotra dia any amin’ny helo ho famaizana noho ny nataony.