+ -

عَنْ أَبِي أُمَامَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَنْ قَرَأَ آيَةَ الْكُرْسِيِّ فِي دُبُرِ كُلِّ صَلَاةٍ مَكْتُوبَةٍ لَمْ يَمْنَعْهُ مِنْ دُخُولِ الْجَنَّةِ إِلَّا أَنْ يَمُوتَ».

[صحيح] - [رواه النسائي في الكبرى] - [السنن الكبرى للنسائي: 9848]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo O mama (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay mamaky ny Ayatol-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no tsy hidirany ao amin'ny paradisa."

[Mari-pototra] - - [Al-Sonan Al-Kobrà an'i Al-Nasàì - 9848]

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa izay mamaky ny Ayat Al-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no mampiditra azy any amin'ny Paradisa. izany dia ao amin'ny Sorate Al-Bakarat ilay tenin'I Allah manao hoe: {I Allah, Tsy misy tompo afa tsy Izy irery ihany, Izy no Ilay velona sy mahavita tena. Tsy mba rendremana na matory, Azy izay rehetra any an-danitra sy ny ety an-tany, Tsy misy mpanelanelana Aminy afa tsy izay sitrany, mahafantatra ny eo am-pelatanany sy ny ambadiky ny voary izy, Tsy misy mahafehy ampahany amin’ny fahalalany afa tsy izay sitrany, manenika ny lanitra manontolo sy ny tany ny Seza fiandrianany ary tsy zavatra mavesatra Aminy akory izany, Izy no Avo sy Be voninahitra}. [Al-Bakarat: 255.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Oromianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha zava-dehibe an'ity andininy ity : Noho fisian'ny Anarana tsara sy ny Toetoetra ambony indrindra ao anatiny.
  2. Tsara ny mamaky io andininy lehibe io isaky aorian'ny vavaka dimy isan'andro.
  3. Ny asa soa no antony hidirana any amin'ny Paradisa.