+ -

عَنِ ابْنِ عُمَرَ رضي الله عنهما:
عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أَنَّهُ نَهَى عَنِ النَّذْرِ، وَقَالَ: «إِنَّهُ لَا يَأْتِي بِخَيْرٍ، وَإِنَّمَا يُسْتَخْرَجُ بِهِ مِنَ الْبَخِيلِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1639]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'Ibn Omar (R.A) :
Nitantara fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nandrara ny voady, ary nilaza manao hoe : "Tsy mitondra soa izany, tsy navoaka izany afa-tsy avy amin'ireo mahihitra".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 1639]

Ny fanazavana

Nandrara ny fanaovana voady ny Mpaminany (S.A.W), izany dia ny faneren'ny olona iray ny tenany hanao zavatra izay tsy nandidian’ny lalàna azy, ary nilaza izy : Ny voady dia tsy mitondra n'inona n'inona, ny olona mahihitra ihany no amoahana izany, izay tsy manao afa-tsy ny zavatra tsy maintsy takina aminy ihany, ary ny voady dia tsy mitondra zavatra izay tsy mbola nalahatra ho azy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Oromianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy voadidy amintsika ny mivoady, fa raha nisy ny nivoady dia tsy maintsy tanterahiny, raha toa ka tsy fahotana.
  2. Ny anton'ny fandrarana (dia noho izy tsy mitondra soa); Satria tsy misakana ny didin’I Allah; Mba tsy hiheveran’ilay nivoady fa noho ny voady nataony no nahatanteraka ny fangatahany, manana ny ampy Allah ary tsy mila an’izany.
  3. Nilaza i Kortobi: Ity fandrarana ity dia toy ny amin'ny filazana, ohatra : Raha sitranin'I Allah ny marariko, dia tsy maintsy hamoaka fanomezana toy izao aho. Ny fandrarana eto satria izy tsy hanao ilay asa soa voalaza raha tsy mahazo ilay tanjona notsiahiviny, ka hita fa tsy manana finiavana hanakaiky an'I Allah izy amin'iny zavatra ho ataony fa mila tambiny amin'izany, ary manazava izany fa raha tsy sitrana ny marariny dia tsy hamoaka fanomezana izy, satria nampifandraisany amin'ny fahasitranany izany, ary io dia toe-piainan'ny olona mahihitra, satria matetika izy dia tsy mamoaka harena raha tsy misy tambiny fanampiny azony haingana amin'ny famoahany.