عَنْ أَبِي يَعْلَى شَدَّادِ بْنِ أَوْسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنْ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِنَّ اللهَ كَتَبَ الْإِحْسَانَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ، فَإِذَا قَتَلْتُمْ فَأَحْسِنُوا القِتْلَةَ، وَإِذَا ذَبَحْتُمْ فَأَحْسِنُوا الذِّبْحَةَ، وَلْيُحِدَّ أَحَدُكُمْ شَفْرَتَهُ، وَلْيُرِحْ ذَبِيحَتَهُ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [الأربعون النووية: 17]
المزيــد ...
Niteny Abo Ya'laa, Shaddaadi ibn Aosy (R.A), fa ilay Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) dia nilaza nanao hoe :
Tena marina fa i Tompo Allah dia naniraka amin'ny fanaovana tsara ny zavatra rehetra; ka raha mamono (biby tsy fihinana sns) Ianareo, dia ataovinareo tsara famono, ary raha manapa-tenda (biby fihinana) ianareo, dia ataovinareo tsara fanapaka; ka aoka ny tsirairay Aminareo mba handranitra tsara ny lelan'antsiny, ary hampiadana ny biby izay tapahiny.
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [الأربعون النووية - 17]
Ny Mpaminany (S.A.W), dia milaza amintsika fa Allah ilay avo Tsitoha dia nandidy antsika hanao soa amin'ny zavatra rehetra, ary ny fanaovana soa : dia ny fitandremana an'Allah mandrakariva, amin'ny fanompoana azy sy amin'ny fiezahana manao soa ary ny fitsaharana amin'ny fanaovan-dratsy manoloana ireo zavaboary, ary tafiditra ao anatin'izany fanaovan-tsoa izany ny famonoana sy fanapahana.
Ny fanaovan-tsoa amin'ny fampiarana didy famonoana : Dia ny fisafidiana fomba mora indrindra, maivana ary haingana indrindra amin'ny fanalana fofon'ain'olona ho vonoina.
Ny fanaovan-tsoa amin'ny fanapahana kosa : Dia ny fangorahana amin'ilay biby amin'ny alàlan'ny fandrangitana tsara ny fitaovana, ary tsy rangitina eo anoloan'ny biby hovonoina raha mijery izany izy, ary tsy mamono azy raha mbola misy biby fiompy hafa mijery azy.