Ny sokajy:
+ -


____

[] - []
المزيــد ...

Niteny Abou Hamizah, Anas ibno Maaliky (R.A), fa i mpanampiny Irakan'i Tompo Allah (S.W.A), niteny fa i Mpaminany (S.W.A) ny teny ka nanao hoe :
"Tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy efa mitia ho an'ny rahalahiny izay zavatra tiany ho an'ny tenany."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [الأربعون النووية - 13]

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy ho feno tanteraka ny finoan'ny mpino iray raha tsy tiany ho an'ny rahalahiny izay tiany ho an'ny tenany, eo amin'ny asa fankatoavana sy karazana asa soa eo amin'ny finoana sy fiainana eto an-tany, ary halany ho azy ny zavatra halany ho an’ny tenany, ka raha mahita ny tsy fahampian’ny finoana amin’ny rahalahiny izy, dia tokony hiezaka hanarina izany, ary raha tsara no hitany dia hamarininy sy ho ampiany ary hanoro azy amin’ny raharaha ara-pinoana na raharaha ara-piainana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Adidy amin’ny olona ny mitia ho an'ny rahalahiny izay tiany ho an’ny tenany. Satria manafoana ny finoana amin'ny olona iray ny tsy fitiavany ho an'ny rahalahiny izay tiany ho an'ny tenany dia midika fa voadidy izany.
  2. Ny firahalahiana noho ny Allah dia ambony noho ny firahalahiana amin'ny firazanana, noho izany dia ambony kokoa ny didy amin'ny zony..
  3. Fandrarana ny teny sy ny fihetsika rehetra izay mifanohitra amin'io fitiavana io, toy ny fitaka, fifosana, fialonana, ary ny herisetra amin'ny mpino silamo amin'ny fananany na ny voninahiny.
  4. Fampiasana ny teny sasany mandrisika hanao zavatra. Ny fitenenany hoe "amin'ny rahalahiny".
  5. Nilaza i Kirmani, Allah hamindra fo aminy : Anisan'ny finoana koa ny fankahalana ho an'ny rahalahiny ny ratsy izay halany ho an'ny tenany, ary tsy nanonona izany izy. Satria ny fitiavana zavatra iray dia tsy maintsy mankahala ny mifanohitra amin'izany, noho izany dia ampy ny tsy filazana azy.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Italianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina اليونانية الأكانية Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny
Ireo sokajy
Fanampiny