+ -

عن عبد الله بن عمرو رضي الله عنهما عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«لَيْسَ الْوَاصِلُ بِالْمُكَافِئِ، وَلَكِنِ الْوَاصِلُ الَّذِي إِذَا قُطِعَتْ رَحِمُهُ وَصَلَهَا».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 5991]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Ibn Amro (r.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe :
"Tsy ilay manolotra fanomezana no atao hoe mpanohy ny fihavanana, fa ny tena mpanohy fihavanana dia ilay miezaka manohy izany raha sendra misy fahatapan'ilay fihavanana".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari]

Ny fanazavana

Manambara izany i Mpaminany (saw) ka manao hoe : Ny olona tonga lafatra amin'ny fifandraisan'ny havan-tiana sy ny fanaovan-tsoa amin'ny havana dia tsy izay mamaly soa amin'ny soa natao azy, Raha ny marina, ny tena lavorary amin’ny fifandraisan’ny mpihavana dia izay, raha tapaka ny fihavanana dia mampifandray izany izy, na dia mampijaly azy aza ireo dia maneho ny hatsaram-panahy amin’izy ireo izy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fifandraisana ara-pianakaviana manan-kery ara-dalàna dia ny fanohizanao fihavanana tamin'ireo izay nanapaka anao tamin'izy ireo, ary mamela heloka izay nanao ratsy taminao, ary manome izay nandrara anao, fa tsy fifandraisana amin'ny fifanandrifian-javatra sy famaliana ny soa.
  2. Ny fitandroana ny fifamatorana ara-pihavanana dia amin’ny alàlan’ny fampitana harena betsaka araka izay azo atao, ny fangatahana zava-tsoa, ny famporisina ny tsara sy ny fandrarana ny ratsy sy ny toy izany ary ny fanosehana ny ratsy araka izay azo atao amin’izy ireny.
Fanampiny