+ -

عن أبي موسى الأشعري رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ حَمَلَ عَلَيْنَا السِّلَاحَ فَلَيْسَ مِنَّا».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 7071]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Mosa Al-Ash'ari (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay mitam-piadiana ho aminay dia tsy namanay."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 7071]

Ny fanazavana

Mampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny fitondrana fitaovam-piadiana hanoherana ny mpino silamo, mba hampitahorana azy ireo na handroba azy ireo. Ka izay manao izany tsy ara-drariny dia nanao heloka bevava sy fahotana lehibe, ary mendrika izany fandrahonana mafy izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Italianina Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fampitandremana mafy ny mpino silamo ny hiady amin'ny silamo namany.
  2. Anisan'ny faharatsina lehibe sy fanimbana lehibe eto ambonin'ny tany ny fandrangarangana fitaovam-piadiana amin'ny mpino silamo, ary fanimbana amin'ny alalan'ny famonoana.
  3. Ny fandrahonana voalaza io dia tsy miresaka ny ady noho ny fahamarinana, toy ny ady amin'ny mpandika lalàna, mpanao ratsy, sy ny hafa tahaka azy ireo.
  4. Voarara ny mampitahotra ny mpino silamo amin'ny fitaovam-piadiana na zavatra hafa - eny fa na dia amin'ny vazivazy aza.