+ -

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ قَالَ: خَرَجَ مُعَاوِيَةُ عَلَى حَلْقَةٍ فِي الْمَسْجِدِ، فَقَالَ: مَا أَجْلَسَكُمْ؟ قَالُوا: جَلَسْنَا نَذْكُرُ اللهَ، قَالَ آللَّهِ مَا أَجْلَسَكُمْ إِلَّا ذَاكَ؟ قَالُوا: وَاللهِ مَا أَجْلَسَنَا إِلَّا ذَاكَ، قَالَ: أَمَا إِنِّي لَمْ أَسْتَحْلِفْكُمْ تُهْمَةً لَكُمْ، وَمَا كَانَ أَحَدٌ بِمَنْزِلَتِي مِنْ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أَقَلَّ عَنْهُ حَدِيثًا مِنِّي:
وَإِنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ خَرَجَ عَلَى حَلْقَةٍ مِنْ أَصْحَابِهِ، فَقَالَ: «مَا أَجْلَسَكُمْ؟» قَالُوا: جَلَسْنَا نَذْكُرُ اللهَ وَنَحْمَدُهُ عَلَى مَا هَدَانَا لِلْإِسْلَامِ، وَمَنَّ بِهِ عَلَيْنَا، قَالَ: «آللَّهِ مَا أَجْلَسَكُمْ إِلَّا ذَاكَ؟» قَالُوا: وَاللهِ مَا أَجْلَسَنَا إِلَّا ذَاكَ، قَالَ: «أَمَا إِنِّي لَمْ أَسْتَحْلِفْكُمْ تُهْمَةً لَكُمْ، وَلَكِنَّهُ أَتَانِي جِبْرِيلُ فَأَخْبَرَنِي أَنَّ اللهَ عَزَّ وَجَلَّ يُبَاهِي بِكُمُ الْمَلَائِكَةَ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2701]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abi Said Al-Khodri niteny : Nivoaka hanatevin-daharana tamin'ny fivorivorina tao amin'ny moske i Moawiyah ary niteny hoe : Inona no antony nipetrahanareo eto? Namaly izy ireo : Nipetraka hahatsiaro an’Allah izahay. Dia hoy izy : “Miainiana amin'Allah aho, tsy nipetraka ianareo afa-tsy izany? Namaly izy hoe : "Eny, tsy nipetraka izahay afa tsy izany. Dia hoy izy manao hoe : Tsy nampianiana anareo aho ho fiampangana anareo, ary tsy nisy na dia iray aza taminareo nihaino irak'Allah mihoatra ahy :
Ary i Mpaminany (S.A.W) nisy fotoana nivoaka hanatevin-daharana tamin'ny fivorina nataon'ireo mpanaradiany, ka niteny hoe : Inona no antony nipetrahanareo eto? Namaly izy ireo : Nipetraka mba hahatsiaro an’Allah izahay sy misaotra azy tamin'ny fanitsiany anay tato amin'ny Islam ary fanomezany ireo fahasoavana. Dia hoy izy : “Miainiana amin'Allah aho, tsy nipetraka ianareo afa-tsy izany? Namaly izy hoe : "Eny, tsy nipetraka izahay afa tsy izany. Dia hoy izy manao hoe : "Tsy nampianiana anareo aho ho fiampangana anareo, fa saingy tonga tamiko i Jibril (A.S) ary nilaza fa tompo Allah mirehereha anareo eo anatrehan'ireo anjely".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

I Moawiyah ibn Abi Sofyan (R.A) dia nivoaka nankany amin'ny vondron'olona tao amin'ny moske ary nanontany azy ireo ny amin'ny zavatra nivorian'izy ireo. Namaly izy ireo hoe : Izahay mahatsiaro sy midera an'Allah, Dia nampianiana azy ireo izy hoe : fa tsy mila na inona na inona afa-tsy fahatsiarovana an'Allah eo amin'ny fipetrahan'izy ireo sy ny fivoriany. Dia nianiana taminy izy ireo, Dia hoy izy tamin’izy ireo : “Tsy nampianiana anareo tamin’ny fiampangana anareo aho na tamin’ny fisalasalana ny fahamarinanareo, avy eo dia nilaza ny toerana nisy azy tamin’ny Mpaminany (S.A.W) izy fa tsy nisy olona akaiky an'ny Mpaminany mihoatra azy. Satria anabaviny i Omm Habiba, vadin'ny Mpaminany (S.A.W), ary noho izy isan'ireo nanoratra ny fanambarana, na dia izany aza fa nitondra Hadith vitsivitsy izy. Ka nilaza tamin’izy ireo izy fa nivoaka ny tranony ny Mpaminany (S.A.W) indray andro ary nahita azy ireo nipetraka tao amin’ny moske mahatsiaro an’Allah sy nidera Azy noho ny nitarihany azy ireo tamin’ny finoana Islam sy ny fanomezana azy ireo izany. Noho izany dia nangataka azy ireo sy nampianiana tahaky ny nataon'i Moawiyah (R.A) i Mpaminany (S.A.W). Avy eo niteny tamin'izy ireo i Mpaminany (S.A.W) ny antony nanontaniany sy ny fianianan'izy ireo : fa tonga teo aminy ny anjely Jibril (A.S) nilaza taminy fa Allah Tsitoha mirehareha momba azy ireo eo amin'ny anjely, ary asehony ny famindram-pony eo amin'izy ireo, asehony azy ireo koa ny asa soa ataonareo, ary midera anareo eo anatrehan'izy ireo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria Somalianina Romaniana Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny voninahitr'i Moawiyah sy ny fahavononany haka tahaka ny irak'Allah amin'ny fampitana fahalalana.
  2. Azo atao ny mampianiana tsy misy fiampangana mba hanasongadinana ny maha zava-dehibe ny vaovao.
  3. Ny fahasoavan'ny fivorina amin'ny fahatsiarovana an'Allah sy ny fahalalana, ary Allah dia tia azy ireo sy mirehareha amin'ny anjely.