+ -

عَنْ أَبِي مُوسَى رضي الله عنه قَالَ:
سُئِلَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَنِ الرَّجُلِ يُقَاتِلُ شَجَاعَةً، وَيُقَاتِلُ حَمِيَّةً، وَيُقَاتِلُ رِيَاءً، أَيُّ ذَلِكَ فِي سَبِيلِ اللهِ؟ فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «مَنْ قَاتَلَ لِتَكُونَ كَلِمَةُ اللهِ هِيَ الْعُلْيَا، فَهُوَ فِي سَبِيلِ اللهِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1904]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abi Mossa (R.A) niteny :
Nanontaniana ny irak'Allah momba ny lehilahy iray izay miady amin'ny fahasahiana, sy miady noho ny fiarovana, ary ny miady amin'ny fireharehana, hoe : aiza amin'izy ireo no natao ho an'Allah? Dia hoy ny irak'Allah namaly hoe : "Izay miady hampiakatra avo ny tenin'Allah dia mizotra amin'ny làlan'Allah".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) momba ny tanjona samihafa ananan'ireo mpiady. Misy ny miady noho ny fahasahiana, na noho ny fiarovana, na ny mba hahitana ny toerany eo anivon’ny vahoaka, na ny hafa ankoatr'izay, dia aiza amin'izy ireo no amin’ny làlan'Allah? Dia nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpiady amin'ny làlan'Allah dia izay miady mba hampiakatra avo ny tenin'Allah.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria Somalianina Romaniana Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fitsipika fototra momba ny fahatsaran'ny asa sy ny fahasimbany dia ny fikasana sy ny fahadiovam-po amin'ny asa atao ho an'Allah.
  2. Raha ny hampiakatra avo ny tenin'Allah no tanjona tamin'ny ady natao dia, ary ampiarahina amin'ny tanjona ara-dalàna hafa, toy ny fahazoana harena, dia tsy manimba ny fikasana tany am-boalohany izany.
  3. Fanoherana ny fahavalo tsy hiditra ny tanindrazana sy ny toeram-ponenana masina dia tafiditra ho ady amin'ny làlan'Allah.
  4. Ny valisoa voalaza ho azon'ireo mpiady dia voatokana ho an'ireo izay niady mba hampiakatra ambony ny tenin'Allah ilay Tsitoha.
Fanampiny