عَنْ أَبِي ثَعْلَبَةَ الخُشَنِيِّ جُرْثُومِ بن نَاشِرٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنْ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَال:
«إِنَّ اللَّهَ فَرَضَ فَرَائِضَ فَلَا تُضَيِّعُوهَا، وَحَدَّ حُدُودًا فَلَا تَعْتَدُوهَا، وَحَرَّمَ أَشْيَاءَ فَلَا تَنْتَهِكُوهَا، وَسَكَتَ عَنْ أَشْيَاءَ رَحْمَةً لَكُمْ غَيْرَ نِسْيَانٍ فَلَا تَبْحَثُوا عَنْهَا».
[قال النووي: حديث حسن] - [رواه الدارقطني في سننه، وغيره] - [الأربعون النووية: 30]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Sa'labah Al-khoshanii, Jorsoom ibno Naashir (R.A), niteny ny Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) manao hoe :
Marina tokoa fa i Tompo Allah dia nandidy ireo zavatra tsy maintsy atao, ka aza ataonareo tsirambina izany; ary namaritra lalàna Izy ka aza dikainareo izany lalàna izany; ary nandrara zavatra Izy ka aza ataonareo izany zavatra izany, ary nangina amin'ny zavatra maro Izy, noho ny indrafony Aminareo fa tsy noho ny fanadinoana akory, ka aza karohinareo intsony izany zavatra izany.
-
Nilaza ny Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah dia nandidy zavatra sasany ka napetrany ho adidy sy andraikitra, koa araho izany ary aza ataonareo tsinontsinona amin'ny fandaozana azy ireo na amin'ny fanalana azy. Nametraka sakana sy faritra ho Anareo Izy izay hanakana Anareo sy hisakana Anareo tsy hanao izay tsy sitrany, koa aza mihoatra amin'izay nandidian’ny Sharian. Nandrara zavatra sasany Izy, koa aza manatona na manakaiky azy ireny Ianareo. Nandao azy ireo Izy ary nangina tamin’ny zavatra hafa rehetra noho ny famindram-pony tamin’ny mpanompony, noho izany dia mbola azo atao ihany izy ireo amin’ny endriny voalohany, koa aza mitady azy ireo intsony.