عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه:
أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَرَأَ فِي رَكْعَتَيِ الْفَجْرِ: {قُلْ يَا أَيُّهَا الْكَافِرُونَ}، وَ{قُلْ هُوَ اللهُ أَحَدٌ}.

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 726]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny :
I Mpaminany (S.A.W) namaky tamin'ny Swalat Fajri ny : {Qol Ya-ayohal Kafirona} sy {Qol Howallaho Ahad}.

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 726]

Ny fanazavana

i Mpaminany (S.A.W) dia mankatia ny mamaky amin'ny rakaat roa Fajri aorian'ny sorat Al-Fatihah, ao amin'ny rakaat voalohany, Sorat {Qol Ya-ayohal Kafirona} (Al-Kafirona). , ary ao amin'ny raka'ah faharoa, Sorah {Qol Howallaho Ahady} (Al-Ikhlass).

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Amporisihina ny mamaky ireo sorat roa ireo aorian'ny Al-Fatihah ao amin'ny Sonnah Fajr.
  2. Ireo sorat roa ireo dia antsoina hoe Sorat Al-Ikhlas, Satria ao amin'ny Sorat Al-Kaafiron dia misy ny fandavana ny zavatra rehetra ivavahan'ny mpanompo sampy ankoatra an'I Allah, ary tsy andevon'I Allah koa izy ireo satria ny fanompoan-tsampin'izy ireo dia manimba ny asa soa vitany, ary Allah ilay Tsitoha no mendrika ivavahana, ary satria ao amin'ny Sorat Al-Ikhlas dia misy ny fanokanana an'I Allah, ny fifikirana Aminy, ary ny fanazavana ny toetrany.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (44)