Ny sokajy:
+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إنَّ اللَّهَ طَيِّبٌ لَا يَقْبَلُ إلَّا طَيِّبًا، وَإِنَّ اللَّهَ أَمَرَ المُؤْمِنِينَ بِمَا أَمَرَ بِهِ المُرْسَلِينَ، فَقَالَ تَعَالَى: {يَا أَيُّهَا الرُّسُلُ كُلُوا مِنْ الطَّيِّبَاتِ وَاعْمَلُوا صَالِحًا}، وَقَالَ تَعَالَى: {يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا كُلُوا مِنْ طَيِّبَاتِ مَا رَزَقْنَاكُمْ} ثُمَّ ذَكَرَ الرَّجُلَ، يُطِيلُ السَّفَرَ، أَشْعَثَ، أَغْبَرَ، يَمُدُّ يَدَيْهِ إلَى السَّمَاءِ: يَا رَبِّ! يَا رَبِّ! وَمَطْعَمُهُ حَرَامٌ، وَمَشْرَبُهُ حَرَامٌ، وَمَلْبَسُهُ حَرَامٌ، وَغُذِيَ بِالحَرَامِ، فَأَنَّى يُسْتَجَابُ لَذلك».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [الأربعون النووية: 10]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
Tena marina fa i Tompo Allah dia Tompo tsara ary Izy tsy mandray afa-tsy ireo zavatra tsara ihany. Ary i Tompo Allah dia nandidy an'ireo vahoaka Mpino Silamo amin'izay zavatra nandidiany an'ireo Iraka; ka hoy Izy hoe : {Ô Ianareo Iraka, mihinàna amin’ireo zavatra tsara Ianareo ary manaova asa soa}. Ary niteny Izy hoe : {Ô Ianareo izay nino ! Mihinàna Ianareo amin’ireo zavatra tsara nomenay Anareo}. Avy eo Izy (S.A.W) nanome ohatra lehilahy iray izay manao dia lavitra, mikorontam-bolo sy feno vovoka, mampiakatra ny tanany amin'ny lanitra Izy, ka miantsoantso hoe : Tompo ô, Tompo ô ! Nefa ny sakafony Haramo, ny fitafiny Haramo, ary izy voky zavatra Haramo; ka amin'ny fomba ahoana no hivalian'ny fangatahana izay nataony ?

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [الأربعون النووية - 10]

Ny fanazavana

Manambara atsika ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah dia tsara, masina, lavitra ny lesoka sy ny kilema rehetra, ary miavaka amin'ny fahalavorariana, tsy manaiky ny asa, ny teny, na ny finoana afa-tsy izay tsara, ary izany dia izay madio ho an’I Allah, araka ny soridàlan'ny Mpaminany (S.A.W), ary tsy tokony hanakaiky kokoa an’I Allah raha tsy amin’ny alàlan’izany, ary ny zava-dehibe indrindra hahazoana ny asa soa ho an’ny mpino dia ny fahadiovan'ny sakafo haniny, ary azo amin’ny fomba ara-dalàna izany (Halal), ary arak'izany dia hadio ny asany. Noho izany, Allah dia nandidy ny mpino hanao izay nandidiany ny iraka, dia ny fihinanana zavatra ara-dalàna sy ny fanaovana asa soa, ka niteny Izy manao hoe : {Ry Iraka! Mihinàna amin'ny zava-tsoa ary manaova ny soa fa mahafantatra izay rehetra ataonareo Aho}, ary niteny ihany koa : «Ô ianareo mpino ! Mihinàna ireo tsara sy madio amin’ny anjara izay nomenay anareo ianareo).
Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) dia nampitandrina amin’ny fihinanana zavatra voarara, izay manimba ny asa sy manakana ny fanekena izany, na dia miezaka manao ny antony rehetra ety ivelany hankatoavana izany aza izy; isan'izany :
Voalohany : ny fanitarana ny dia ho amin'ny tanjona fankatoavana toy ny Hajj, Jihad, fanohizana ny rohim-piavanana fianakaviana, sy ny sisa.
Faharoa : Misaraka ny volo noho ny tsy fibangona azy, ary niova ny lokony sy ny lokon’ny akanjony noho ny vovoka, ka dia poritra izy.
Fahatelo : Manandratra ny tànany ho amin’ny lanitra amin’ny fanaovana Doan.
Fahefatra : Mitalaho amin’I Allah amin’ireo Anarany ary manantitrantitra mafy hoe : Tompo ô, Tompo ô!
Na dia teo aza ireo antony mahavaly ny vavaka ireo, dia tsy nohenoina izy; Satria ny haniny sy ny zava-pisotrony ary ny fitafiny ary velona amin'ny sakafo voarara izy, ka lavitra azy ny famaliana Douan amin'ireo toetra voalaza ireo, tsy azo atao ny ary ahoana no hamaliany azy?!

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahalavorarian’I Allah amin’ny tenany, ny toetoetrany, ny asany ary ny fitsarany.
  2. Ny didy mibaiko mba hanokanana ny asa atao ho an'I Allah, sy ny fanarahana ny Mpaminany (S.A.W).
  3. Fampiasana ny fomba famporisihana amin'ny asa, araka ny filazan'ny Mpaminany (S.A.W) : “Allah dia nandidy ny mpino hanao izay nandidiany ireo iraka". Raha fantatry ny mpino fa iray amin'ireo didin'ny iraka izany, dia havitrika sy mazoto ny hanara-dalàna izy.
  4. Anisan’ny sakana amin’ny famaliana ny Douan ny fihinanana sakafo voarara.
  5. Isan'ny antony mahavoavaly ny Doan ny zavatra dimy : Ny iray amin'izy ireo : ny fanalavana ny dia (voyage) satria hita ao aminy ny fahalemena sy harerahana izay iray amin'ireo antony lehibe indrindra amin'ny famaliana azy. Ny faharoa : ny toe-piainana ao amin'ny fahasahiranana. Ny fahatelo : fampiakarana ny tànana any an-danitra. Ny fahefatra : fitalahoana amin'I Allah sy famerimberenana ny maha tompo Azy, izay iray amin’ireo zavatra lehibe indrindra hahazoana ny valim-bavaka, fahadimy : Fanadiovana ny Sakafo sy ny zava-pisotro.
  6. Ny fihinanana sakafo tsara dia iray amin'ireo antony manampy amin'ny fanaovana asa soa.
  7. Niteny i Kaahdi : Ny tsara dia mifanohitra amin’ny ratsy, ka raha i Tompo Allah ilay avo Tsitoha no faritana Aminy, dia midika izany fa manalavitra ny tsy fahafenoana, ary raha nofariparitana tamin’izany ny mpanompo iray amin’ny ankapobeny dia midika izany fa nesorina tamin'ny faharatsian'ny fitondran-tena sy ny faharatsian'ny asa ary voaravaka Aminy ny mifanohitra amin'izany, ary raha nofariparitana tamin'izany ny vola aman-karena dia midika fa tafiditra amin'ny harena tsara indrindra.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Bengaly Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Amharika Gojratia Kargaria Nepalianina Litoanianina Aldoria serbianina Tajakianina Keniaroandia Hongariana Tsekianina الموري Kanadianina الولوف Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny
Ireo sokajy
Fanampiny