+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«أَقْرَبُ مَا يَكُونُ الْعَبْدُ مِنْ رَبِّهِ وَهُوَ سَاجِدٌ، فَأَكْثِرُوا الدُّعَاءَ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 482]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
" Ny toerana izay tena ho hanakakaizan'ny Mpanompo iray amin'ny Tompony dia rehefa amin'ny fotoana Izy miankohoka amin'ny fanaovana ny Soalat, ka habetsao indrindra ny Fangatahana ".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 482]

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny toerana tena akaiky indrindra an'ireo Mpanompo amin'ny Tompon'izy ireo dia rehefa amin'ny fotoanan'izy ireo miondrika ka miankohoka mivavaka Soalat eo anatrehany Tompo Allah. Izany dia Satria ny Olona mivavaka dia mametraka ny ampahany ambony indrindra amin'ny vatany amin'ny tany amin'ny fanekena sy fanetren-tena ary fanambanian-tena amin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha rehefa miankohoka.
Izy (S.A.W), dia nandidy sy namporisika fa tokony hitalao sy hangataka be dia be ary atao imbetsaka mihitsy ny hataka mandritra ny fiankohofana izay hatao amin'ny Soalat, ka izay indrindra no manambatra ny fanetren-tena eo anatrehan'i Tompo Allah amin'ny alalan'ny Teny sy ny Asa.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fankatoavana dia anisany zavatra mampitombo ny fifandraisan’ny Mpanompo amin’Allah ilay avo Tsitoha.
  2. Tsara ny manao fitalahoana sy fangatahana matetika mandritra ny fiankohofana amin'ny Soalat. Satria eo indrindra no anisan'ny toerana Azahoana ny valiny izany.