+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بنِ مَسْعُودٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لَيْسَ مِنَّا مَنْ لَطَمَ الخُدُودَ، وَشَقَّ الجُيُوبَ، وَدَعَا بِدَعْوَى الجَاهِلِيَّةِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1294]
المزيــد ...

Tatitra azo tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy anisany miaraka amintsika izay mamely takolaka sy mandrovitra paosy ary miantsontso toy ny tamin'ny andron'ny tsy fahalalana”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1294]

Ny fanazavana

Nandrara amin'ny ataon'ny olona talohan'ny finoana silamo ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : Tsy anisany aminay:
Ny voalohany : Iza mamely vatana, indrindra fa ny takolaka, satria izy no maro an'isa amin'izany, raha tsy izany dia tafiditra ao anatin'ny fandrarana ny mamely ny tavany.
Ny faharoa : Mandrovitra ny akanjo mba hidiran'ny lohany noho ny tebiteby tafahoatra.
Ny fahatelo : Nitalaho tamin’ny fitalahoan’ny olona talohan’ny finoana silamo toy ny fitalahoana loza, fandringanana, fitomaniana, ratra, sy ny hafa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Io fampitandremana ao amin'ny hadith io dia manondro fa fahotana lehibe ireo asa ireo.
  2. Voadidy ny manam-paharetana eo anatrehan’ny loza, ary voarara ny tsy faly amin’ny didim-pitsaran’I Allah izay mangotsika, ary maneho izany : amin’ny fidradradradrana, hiakihaka, fanapaham-bolo, fandrovitana, na hafa.
  3. Voarara ny maka tahaka ny andron'ny tsy fahalalana amin'ny fanaovana izay tsy eken'ny lalàna.
  4. Tsy misy maharatsy ny alahelo sy ny fitomaniana, satria tsy mifanohitra amin’ny faharetana amin’ny didin’I Allah izany, fa izy io dia famindram-po napetrak’I Allah ao am-pon’ny havana aman-tsakaiza.
  5. Ny silamo dia tokony afa-po amin'ny sitrapon'I Allah, ary raha tsy afa-po izy dia ny faharetana no voadidy aminy.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Alimanina Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Aldoria serbianina Keniaroandia Romaniana Hongariana الموري Oromianina Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny
Fanampiny