عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ عَبْدِ الرَّحْمَنِ بْنِ صَخْرٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: سَمِعْت رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّم يَقُولُ:
«مَا نَهَيْتُكُمْ عَنْهُ فَاجْتَنِبُوهُ، وَمَا أَمَرْتُكُمْ بِهِ فَافْعَلُوا مِنْهُ مَا اسْتَطَعْتُمْ، فَإِنَّمَا أَهْلَكَ الَّذِينَ مِنْ قَبْلِكُمْ كَثْرَةُ مَسَائِلِهِمْ، وَاخْتِلَافُهُمْ عَلَى أَنْبِيَائِهِمْ».
[صحيح] - [رواه البخاري ومسلم] - [الأربعون النووية: 9]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira, Abd rahmani ibn Soakhry (R.A) niteny ka nanao hoe : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe :
Izay zavatra rehetra nandrarako Anareo dia ihatahonareo, ary izay zavatra rehetra nanirahako Anareo dia ataovinareo izay mety vitanareo amin'izany; Satria ny naharingana ireo Olona talohanareo dia ny hamaroan'ny fanontaniana sy ny fifandiran'izy ireo tamin'ireo mpaminanin'izy ireo.
[Mari-pototra] - [رواه البخاري ومسلم] - [الأربعون النووية - 9]
Nohazavain’ny irakan’i Tompo Allah amintsika fa raha mandrara atsika amin’ny zavatra iray izy dia tsy maintsy miala amin’izany Isika tsirairay tsy an-kanavaka, ary raha mandidy atsika hanao zavatra kosa Izy dia tsy maintsy manao araka izay vitantsika Isika. Avy eo dia nampitandrina atsika Izy mba tsy ho tahaka ny vahoaka sasany teo aloha izay nametraka fanontaniana maro samy hafa tamin’ny mpaminan'izy ireo nefa tsy nankatò azy ireo akory izy ireo, ka nofaizin’i Tompo Allah tamin’ny karazana fandringanana . Ka tsy tokony hitovy amin’izy ireo Isika mba tsy ho ringana tahaka ny naharingana azy ireo.