+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ:
قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «إِنَّ اللَّهَ قَالَ: مَنْ عَادَى لِي وَلِيًّا فَقَدْ آذَنْتُهُ بِالحَرْبِ، وَمَا تَقَرَّبَ إِلَيَّ عَبْدِي بِشَيْءٍ أَحَبَّ إِلَيَّ مِمَّا افْتَرَضْتُ عَلَيْهِ، وَمَا يَزَالُ عَبْدِي يَتَقَرَّبُ إِلَيَّ بِالنَّوَافِلِ حَتَّى أُحِبَّهُ، فَإِذَا أَحْبَبْتُهُ: كُنْتُ سَمْعَهُ الَّذِي يَسْمَعُ بِهِ، وَبَصَرَهُ الَّذِي يُبْصِرُ بِهِ، وَيَدَهُ الَّتِي يَبْطِشُ بِهَا، وَرِجْلَهُ الَّتِي يَمْشِي بِهَا، وَإِنْ سَأَلَنِي لَأُعْطِيَنَّهُ، وَلَئِنِ اسْتَعَاذَنِي لَأُعِيذَنَّهُ، وَمَا تَرَدَّدْتُ عَنْ شَيْءٍ أَنَا فَاعِلُهُ تَرَدُّدِي عَنْ نَفْسِ المُؤْمِنِ، يَكْرَهُ المَوْتَ وَأَنَا أَكْرَهُ مَسَاءَتَهُ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 6502]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny izy :
Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) : Niteny i Allah : Izay olona nifahavalo amin'olon-tiako dia efa niantso ady aminy Aho, ny zavatra izay farany tiako tanterahin'ny mpanompoko mba hanantonany ahy dia ireo zavatra nataoko didy aminy, ary tsy mitsahatra manantona ahy ny mpanompoko amin'ny alàlan'ny fanatanterahany ny fanompoana fanampiny mandrapaha hitiavako azy, rehefa mitia azy Aho dia Izaho no miaro azy : amin'ny sofiny izay hiainoany, sy ny masony izay ahitany, sy ny tànany izay hikapoany, ary ny tongony izay hamindrany, ka omeko izy raha toa ka mangataka amiko, ary Arovako raha mitady fiarovana amiko, tsy nisalasala na oviana na oviana aho tamin’izay ataoko tahaka ny fisalasalako amin’ny fanahin’ny mpino, izay mankahala ny fahafatesana, ary halako ny mikasika izany".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari]

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) ao amin'ny Hadith Qodsì fa niteny i Allah Ilay Tsitoha nilaza manao hoe : Izay manisy ratsy ny iray amin’ny sakaizako, na manao zavatra mahatezitra azy, na mankahala azy, dia mampahafantatra azy sy manambara azy Aho fa fahavaloko izy.
Ny sakaizan'Allah dia : ny mpino matahotra, ary arakaraka ny halehiben’ny finoana sy ny fatahoarana ananan’ilay mpanompo, dia tahaka izany koa ny anjarany eo amin'ny maha sakaizan’Allah. Ny mpino silamo dia manatona akaiky ny Tompony amin'ny zavatra tiany kokoa amin'ny zavatra nandidiany azy, toy ny fankatoavana sy ny fialana amin'ny zavatra voarara, ary tsy mitsahatra ny mpino silamo manakaiky ny Tompony amin'ny alàlan'ny asa fanompoana an-tsitrapo sy ny vavaka tsy maintsy atao, mandrampahazoany fitiavan’Allah. Rahefa tia azy Allah dia hanampy azy amin’ireto lafiny ratsam-batana efatra ireto
Tarihiny ny fihenony, ka izay ankasitrahan’Allah ihany no henony
Tarihiny ny ny fijeriny, ka izay tian’Allah sy ankasitrahany ihany no jereny.
Arovany ny tanany, ka tsy manao na inona na inona amin’ny tanany izy afa-tsy izay sitrak’Allah.
Arovany ny tongony, ka izay ankasitrahan’Allah ihany no alehany, ary ny soa ihany no tadiaviny.
Eo anilan'izany koa, raha mangataka zavatra amin’Allah izy, dia homen’Allah izay nangatahiny, ary hamaly ny antsony Izy, ary raha mitady fialofana amin’Allah izy, dia hiaro azy amin’izay atahorany Allah.
Dia hoy Allah ilay Tsitoha : Tsy nisalasala aho na inona na inona amin'ny zavatra ataoko tahaka ny tsy fisalasalako hanala ny fanahin’ny mpino noho ny famindram-po aminy, satria halany ny fahafatesana noho ny fanaintainana aterak’izany, ary halan’Allah ny mamparary ny mpino.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ity hadith notaterin'ny Mpaminany (S.A.W) ity dia avy amin'ny Tompony, izay antsoina hoe hadith Qodosÿ na hadith-n'Allah, izay samy avy amin'Allah daholo ny teny sy ny heviny, fa izy fotsiny tsy manana ireo zavatra mampiavaka ny Kor'any amin'ny hafa, toy ny fanompoam-pivavahana amin'ny àlan'ny famakiana azy, sy ny fahadiovana raha hamaky azy, ny fanamby ananany, ny fahagagana, sy ankoatra izany
  2. Fandrarana ny fanaovan-dratsy amin'ireo sakaizan’Allah sy ny famporosina ho tia azy ireny, sy hanaiky ny fahamendrehana ananany.
  3. Ny didy hifahavalona amin'ireo fahavalon’Allah sy fandrarana amin'ny fitiavana azy ireny
  4. Na iza na iza milaza ho sakaizan'Allah nefa tsy manaraka ny lalàny dia mandainga amin’ny filazany.
  5. Ny maha sakaizan'Allah dia azo amin’ny fanatanterahana didy tsy maintsy atao sy ny fialana amin’ny zavatra voarara.
  6. Anisan'ny porofo manambara ny fitiavan'Allah ny mpanompo iray ny famaliany ny antsony, amin'ny fanatanterahana ny vavaka fanampiny aorian'ny fanatanterahany ny fanompoana tsy maintsy atao sy ny famelany ireo zavatra voarara.
  7. Porofo manondro ny voninahitry ny olo-masina sy ny toerana ambony misy azy ireo.