عَن عَبْدِ اللهِ بْنِ عَمْرِو بْنِ الْعَاصِ رضي الله عنهما أَنَّهُ سَمِعَ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، يَقُولُ:
«إِنَّ قُلُوبَ بَنِي آدَمَ كُلَّهَا بَيْنَ إِصْبَعَيْنِ مِنْ أَصَابِعِ الرَّحْمَنِ، كَقَلْبٍ وَاحِدٍ، يُصَرِّفُهُ حَيْثُ يَشَاءُ» ثُمَّ قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «اللهُمَّ مُصَرِّفَ الْقُلُوبِ صَرِّفْ قُلُوبَنَا عَلَى طَاعَتِكَ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2654]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah niteny hoe :
“Ny fon’ny zanak’i Adama dia eo anelanelan’ny rantsan-tànan’Ilay Mpamindra fo, toy ny fo iray, ary ataony amin’izay tiany hatao izany.” Avy eo niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tompo Allah ô! Ianao no Mpamadibadika ny fo, ka apetraho eo amin'ny fankatoavana anao ny fonay".
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2654]
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nampahafantatra fa ny fon’ny zanak’i Adama rehetra dia eo anelanelan’ny rantsantanan’Ilay Mpamindra fo ary toy ny fo iray. Ataony amin’izay tiany anaovana azy; Raha sitrany dia apetrany amin’ny fahamarinana izany, ary raha sitrany, dia ataony hiala amin’ny fahamarinana, ary ny famadiany azy ao amin’ny fo rehetra dia tahaka ny fitondran-tenan’ny olona iray, ary Allah Tsitoha tsy mibahana azy amin’ny raharaha iray aorian’izany. Avy eo dia nanao Douan i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Allah ô, Ianao no Mpamadibadika ny fo indraindray mankany amin'ny fankatoavana ary indraindray any amin'ny fahotana, indraindray amin’ny fahatsiarovana ary indraindray amin’ny tsy fitandremana. Ka atsatohy ao anaty fankatovana anao ny fonay.