عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ عَمْرٍو رضي الله عنهما قال: قال رَسولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«أَرْبَعٌ مَنْ كُنَّ فِيهِ كَانَ مُنَافِقًا، وَإِنْ كَانَتْ خَصْلَةٌ مِنْهُنَّ فِيهِ كَانَتْ فِيهِ خَصْلَةٌ مِنَ النِّفَاقِ حَتَّى يَدَعَهَا: مَنْ إِذَا حَدَّثَ كَذَبَ، وإِذَا وَعَدَ أَخْلَفَ، وإذَا خَاصَمَ فَجَرَ، وَإِذَا عَاهَدَ غَدَرَ».
[صحيح] - [رواه البخاري ومسلم] - [الأربعون النووية: 48]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Amro(R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
Misy toetra efatra, izay Olona misy azy ireo dia lazaina fa mpihatsaravelatsihy, ary raha ampahany amin'izany no misy Aminy dia misy toetran'ny mpihatsaravelatsihy ihany Izy mandra-pamelany izany toetra izany : Olona izay mandainga rehefa miresaka, tsy manatanteraka ny teniny rehefa mampanantena zavatra, miala lalana (tsy milaza ny marina fa mitaky izay tsy Azy na mandà ny zon'ny hafa Aminy) rehefa misy disadisa, ary mahasahy mivadika rehefa manao ny fifanekena amin'ny zavatra.
[Mari-pototra] - [رواه البخاري ومسلم] - [الأربعون النووية - 48]
Nampitandrina momba ny toetra efatra ny Mpaminany (S.A.W) ka raha mitambatra amin'ny mpino silamo iray dia hitovy be amin'ny mpihatsaravelatsihy noho ireo toetra ireo, na koa raha hita betsaka aminy ireo toetra ireo, fa raha raha indraindray fotsiny no miseho aminy dia tsy tafiditra ao anatiny, ireto avy izy ireo :
Voalohany : Rehefa miteny izy dia minia mandainga ary tsy misy fahamarinana izay voalazany.
Faharoa : Raha nanao fifanekena dia tsy notanterahiny izany ka namadika ny tompony.
Fahatelo : Raha nanao fampanantenana izy dia tsy notanterahiny ary nivadihany.
Fahefatra : Raha miady sy mifanolana amin’ny olona izy, dia mafy ny adiny, ary miala amin’ny fahamarinana izy, ary mampiasa fitaka amin’ny fanoherana sy fandavana izany, ary milaza lainga sy zavatra diso.
Ny fihatsarambelatsihy dia fanehoana ny miafina mifanohitra aminy, ary izany hevitra izany dia hita ao amin’ny olona manana ireo toetra ireo, ary ny fihatsarambelatsihy dia mihatra aminy amin'ny zon'ireo olona niresahany, nampanantenainy, natoky azy, nifanditra taminy, ary ny olona nifanaraka taminy, fa tsy hoe mpihatsaravelatsihy izy amin'ny lafin'ny finoana silamo ka hoe mampiseho ny finoana nefa manafina ny tsy finoana, ary izay manana ny iray amin'ireo toetra ireo; dia nanana toetra fihatsarambelatsihy tao aminy mandra-pialany aminy.