عَنْ عُمَرَ بْنِ الخَطَّابِ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَوْ أَنَّكُمْ كُنْتُمْ تَوَكَّلُونَ عَلَى اللهِ حَقَّ تَوَكُّلِهِ لَرَزَقَكُمْ كَمَا يَرْزَقُ الطَّيْرَ تَغْدُو خِمَاصًا وَتَرُوحُ بِطَانًا».
[صحيح] - [رواه الإمام أحمد، والترمذي، والنسائي، وابن ماجه، وابن حبان في صحيحه، والحاكم] - [الأربعون النووية: 49]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Omari Ibn Al-Khatab (R.A), fa niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
Raha tena manankina marina ny fiainanareo amin'i Tompo Allah Ianareo, dia hanome anjara masoandro ho Anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy mibontsina hatrany ny kibony (voky) rehefa Izy miverina amin'ny ariva. (Izany hoe mandehana mitady n'y anjara masoandro no sady dia ankino tsara amin'i Tompo Allah ny fiainana).
[Mari-pototra] - [رواه الإمام أحمد والترمذي والنسائي وابن ماجه وابن حبان في صحيحه والحاكم] - [الأربعون النووية - 49]
Mamporisika atsika i Mpaminany (S.A.W) mba hiantehitra mandrakariva amin'Allah ilay avo Tsitoha amin'ny fitadiavana ny zava-tsoa sy fanakanana ireo loza amin'ny raharahan'ny fiainana eto an-tany sy ny finoana, satria tsy misy manome, ary tsy misy manakana, tsy misy mampidi-doza, na manome tombontsoa afa-tsy Izy irery ihany, Voninahitra anie ho Azy. Ary tokony hanao ireo antony rehetra mahasoa sy manala ny ratsy misy isika rehetra miaraka amin'ny fitokisana tanteraka an'Allah, ka rehefa manao izany Isika dia omen'Allah ireo anjaram-pivelomana tahakan'ireo vorona izay mivoaka ny maraina noana, dia miverina ny amin’ny hariva kosa dia voky ny kibony. Ity fihetsiky ny vorona ity dia karazana fomba sy antony iray izay hiezahana mitady ny sakafo hohanina, tsy misy fiankinan-doha sy hakamoana.