+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه أَن النبيَّ صَلّى اللهُ عَلَيْهِ وسَلَّم قَالَ:
«الرَّجُلُ عَلَى دِينِ خَلِيلِهِ، فَلْيَنْظُر أَحَدُكُم مَنْ يُخَالِل».

[حسن] - [رواه أبو داود والترمذي وأحمد] - [سنن أبي داود: 4833]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny olona dia manaraka ny finoan'ny namany, koa aoka ny tsirairay aminareo hijery izay ho namany."

[Tsara] - [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 4833]

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny olona iray dia mitovy amin’ny namany sy ny sakaizany ankaiky azy amin’ny fitondran-tenany sy ny fahazarany, ary ny fisakaizana dia misy fiantraikany amin’ny fitondran-tena, ny toetra ary ny fihetsika, ary noho izany antony izany no nanorohany mba hanatsara ny fisafidianana namana. Satria ny namany dia mitarika azy ho amin’ny finoana sy ny fitarihana ary ny hatsaram-panahy izany, ary ho lasa tohana ho an'ny namany hatrany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina serbianina Somalianina Romaniana Oromianina Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mandidy ny fiarahana amin’ny olona tsara sy fifantinana azy ireo, ary mandrara ny fiarahana amin’ny olon-dratsy.
  2. Nolazaina manokana ny namana eto fa tsy ny havana; Satria ianao no mifidy ny namana, fa ny amin'ny rahalahy sy ny havana kosa dia tsy manan-tsafidy ianao.
  3. Ny fakana ho namana dia tsy maintsy miainga avy amin'ny fisaintsainana.
  4. Manamafy ny finoan'ny olona ny fiarahany amin'ireo mpino ary mampalemy azy kosa ny fiarahany amin'ny mpanota.