+ -

عَنِ ابْنِ عُمَرَ رضي الله عنهما أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«أُمِرْتُ أَنْ أُقَاتِلَ النَّاسَ حَتَّى يَشْهَدُوا أَنْ لاَ إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللَّهِ، وَيُقِيمُوا الصَّلاَةَ، وَيُؤْتُوا الزَّكَاةَ، فَإِذَا فَعَلُوا ذَلِكَ عَصَمُوا مِنِّي دِمَاءَهُمْ وَأَمْوَالَهُمْ إِلَّا بِحَقِّ الإِسْلاَمِ، وَحِسَابُهُمْ عَلَى اللَّهِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 25]
المزيــد ...

Niteny Ibn Omar (RA), niteny ny Irak'Allah (SAW) manao hoe :
"Nodidiana aho hiady amin'ny olona mandra-pijoroan'izy ireo ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia irak'I Allah, ary manangana ny soalat sy mandoa zakat, raha manao izany izy ireo dia voaro amiko ny ràn'izy ireo sy ny fananany, afa-tsy ny zon'ny silamo, ary ny fitsarana azy ireo dia any amin’I Allah.”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah dia nandidy azy hiady amin'ireo mpanompo sampy mandra-pijoroan'izy ireo ho vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona Aminy, ary mijoro vavolombelona amin'i Mohammad (S.A.W) fa nitongavan'ny hafatra, ary ny hanao zavatra mifanaraka amin'izany fijoroana ho vavolombelona izany amin'ny fifikirana amin'ny soalat dimy isan'andro sy ny alina, ary ny famoaka ny zakat ho an'izay mendrika izany. Raha manao ireo zavatra ireo izy dia miaro ny rany sy ny hareny ny finoana silamo. Tsy azo atao ny mamono azy ireo raha tsy nanao heloka bevava na fahotana izay mendrika ny hamonoana azy araka ny lalànan'ny finoana silamo. Ary amin'ny andro fitsanganan'ny maty dia Allah Tsitoha no hiandraikitra ny fitsarana azy ireo araka ny fahafantarany ny tsiambaratelon'izy ireo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mihatra amin’ny fisehoana ivelany ihany ny didy, ary Allah no miandraikitra ny zava-miafina.
  2. Ny maha zava-dehibe ny antso ho amin'ny fanokanana an'I Allah, ary izany no zavatra voalohany atomboka amin'ny antso sy ny fampielezana atao.
  3. Io hadith io dia tsy midika hoe terena hiditra amin'ny finoana silamo ireo mpanompo sampy, fa nomena safidy malalaka izy ireo na hiditra amin'ny finoana silamo na handoa hetra. Raha mandà afa-tsy ny hanakana ny antso ho amin'ny finoana silamo izy ireo dia tsy misy azo atao afa-tsy miady aminy araka lalàna mifandraika amin'ny finoana silamo.