1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny foto-pinoana

Resaka Tsy misy mpanompo manafina kileman'ny mpanompo hafa eto an-tany, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganan'ny maty

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَا يَسْتُرُ عَبْدٌ عَبْدًا فِي الدُّنْيَا إِلَّا سَتَرَهُ اللهُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ».

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy mpanompo manafina kileman'ny mpanompo hafa eto an-tany, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganan'ny maty."

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2590

Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy silamo manafina kileman'ny rahalahiny silamo amin'ny raharaha rehetra, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty. Ny valisoa dia mitovy amin'izay nataonao ihany, ary ny fanafenan'I Allah azy dia ny fanafenana ny fahadisoany sy ny fandikan-dalàny mba tsy ho hitan'ny olona ao mandritry ny fivoriam_be, na mety amin’ny endrika fanambelana tsy hitsarana azy amin'izany.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha ara-dalàna ny fanafenana ny silamo raha manao fahotana izy, sady manameloka azy, manoro azy ary mampitahotra azy amin’I Allah anefa, raha anisan’ireo olona ratsy fanahy sy mpanao fanimbana izay miharihary ny fahotana sy ny fahalotoam-pitondrantena, dia tsy mety manafina izany, Satria ny fanafenana azy ireo dia mamporisika azy hanota, fa ny raharahany dia atolotra ny mpitondra, na dia nolazaina mivantana aza ny momba azy; Satria izy mampiseho ampahibemaso ny fahalotoam-pitondran_tenany sy ny tsy fankatoavany.
  2. Famporisihana hanafina ny fahadisoan’ny hafa.
  3. Anisan’ny soa azo avy amin’ny fanafenana : Manome fahafahana ny mpanota handinika ny tenany sy hibebaka amin’I Allah. Satria ny filazana lesoka sy zavatra mahamenatra dia endrika fanaparitahana fahavetavetana, manimba ny rivo-piainana ara-tsosialy ary maka fanahy ny olona hanao izany.

Fanehoana ny dikan-teny

50 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
NE नेपाली النيبالية
YO Yorùbá اليوروبا
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
MOS Moore الموري
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية