+ -

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤمنينَ رضي الله عنها قَالَتْ:
كُنْتُ أَغْتَسِلُ أَنَا وَالنَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ مِنْ إِنَاءٍ وَاحِدٍ كِلاَنَا جُنُبٌ، وَكَانَ يَأْمُرُنِي، فَأَتَّزِرُ، فَيُبَاشِرُنِي وَأَنَا حَائِضٌ، وَكَانَ يُخْرِجُ رَأْسَهُ إِلَيَّ وَهُوَ مُعْتَكِفٌ فَأَغْسِلُهُ وَأَنَا حَائِضٌ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 299]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny :
Izaho niaraka nandro tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tao anaty siny be iray ary samy tratran'ny loto lehibe izahay roa, ary nanafatra ahy izy mba hisaron-tena, ka nanafosafo ny vatako izy raha mbola tao anatin'ny fadim-bolana aho Ary navoakany aty amiko ny lohany rehefa izy tao anatin'ny i’tikaf, ka sasako ny lohany ary ao anatin'ny fandim-bolana aho.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 299]

Ny fanazavana

Nilaza momba ny fiainam- piainany manokana miaraka amin'ny Mpaminany (S.A.W) ny renin'ny Mpino Aisha (R.A), isan'izany ny : nidio tamin'ny fahalotoana lehibe niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy, tao anaty siny be iray ka samy naka rano tao aminy. Ary raha tia hanafosafo azy mandritra ny fadim-bolana ny Mpaminany (S.A.W), dia nasainy nanarona ny vatany miainga eo min’ny foitra ka hatrany amin’ny lohalika, mba hahafahany miaraka aminy fa tsy misy firaisana. Ary rehefa nanao I'tikaf tao amin'ny moske ny Mpaminany (S.A.W) dia namoaka ny lohany tany amin'i Aisha, ka nosasany izany, any an-tranony ihany anefa izy no sady tao anatin'ny fadim-bolana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Oromianina Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Azo ataon'ny mpivady ny miaraka mandro amin’ny siny be iray.
  2. Azo atao ny mikitika vatan'ny vehivavy tonga fadim-bolana ankoatra ny taovam-pananahana, satria madio ny vatany.
  3. Tsaratsara raha mirakotra lamba ilay vehivavy amin'ny fotoana hikitiana ny vatany.
  4. Ny fanaovana ireo fomba ahafahana miaro amin'ny filatsahana amin'ny zava-boarara.
  5. Tsy azo ataon'ny vehivavy tonga fotoana ny mijanona maharitra ao amin'ny moske.
  6. Azony atao ny mikitika zavatra mando na maina, anisan’izany ny fanasana volo sy firandranana azy.
  7. Fahaizan'ny Mpaminany (S.A.W) miaraka amin'ny ankohonany.