عَنْ أَنَسٍ رضي الله عنه:
أَنَّ نَفَرًا مِنْ أَصْحَابِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ سَأَلُوا أَزْوَاجَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَنْ عَمَلِهِ فِي السِّرِّ؟ فَقَالَ بَعْضُهُمْ: لَا أَتَزَوَّجُ النِّسَاءَ، وَقَالَ بَعْضُهُمْ: لَا آكُلُ اللَّحْمَ، وَقَالَ بَعْضُهُمْ: لَا أَنَامُ عَلَى فِرَاشٍ، فَحَمِدَ اللهَ وَأَثْنَى عَلَيْهِ، فَقَالَ: «مَا بَالُ أَقْوَامٍ قَالُوا كَذَا وَكَذَا؟ لَكِنِّي أُصَلِّي وَأَنَامُ، وَأَصُومُ وَأُفْطِرُ، وَأَتَزَوَّجُ النِّسَاءَ، فَمَنْ رَغِبَ عَنْ سُنَّتِي فَلَيْسَ مِنِّي».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1401]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny :
Fa nisy andian'ny mpanaradia ny Mpaminany (S.A.W) nanontany ny vadin'ny Mpaminany (S.A.W) momba ny asa atony amin'ny mangingina? Dia hoy ny sasany : Tsy hanambady vehivavy aho, ary hoy ny sasany : Tsy hihinana hena aho, ary hoy ny sasany : Tsy hatory am-pandriana aho. Koa nidera sy nisaotra an’Allah i Mpaminany (S.A.W) dia niteny manao hoe : “Inona no manjo ny olona izay niteny izao sy izao? Fa Izaho kosa mivavaka sy matory, mifady hanina sy misakafo ary manambady vehivavy, ka izay miala amin’ny fomba amam-panaoko dia tsy anisan'ny miara-dia amiko”.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 1401]
Tonga tao amin'ny tranon'ny vadin'ny Mpaminany (S.A.W) ireo vondron'ny mpanaradia, nanontany momba ny fanompoam-pivavahana mangingina izay ataon'ny Mpaminany (S.A.W) tao an-tranony, ka rehefa naheno izany izy ireo dia nihevitra hanao bebe kokoa mihoatra izany ka niteny manao hoe : Aiza ny fifandraisantsika amin'ny Mpaminany (S.A.W)? Efa voavela ny fahotany taloha sy ny ho avy, fa tsy toy ilay tsy mahalala fa efa tonga taminy ny famelan-keloka, ka mila mihoa-pefy amin’ny fanompoana izy amin’ny fanantenana hahazoany izany. Dia hoy ny sasany : Tsy hanambady vehivavy aho. Hoy ny sasany : Tsy hihinana hena aho. Hoy ny sasany tamin’izy ireo : Tsy hatory eo am-pandriana aho. Tonga tamin’ny Mpaminany izany, ka tezitra izy ka nitory teny tamin’ny olona, niatomboka tamin'ny fisaorana an'Allah sy ny fiderana Azy, avy eo dia niteny manao hoe : Ahoana ny amin'ny olona niteny an'izao sy izao?! Mianiana amin'Allah aho fa izaho no matahotra an'Allah indrindra sy masina indrindra aminareo, saingy matory aho mba hahazo hery hivavaka, ary manapaka ny fifadian-kanina aho mba hahazoana hery hifady hanina, ary manambady ireo vehivavy, ka izay mivily amin'ny làlako ary mahita ny fahafenoana amin'ny zavatra hafa, sy manaraka ny fomban'olon-kafa, dia tsy anisan'ny mpanaradiako.