عَنْ أَبِي حَازِمٍ قَالَ: قَاعَدْتُ أَبَا هُرَيْرَةَ رضي الله عنه خَمْسَ سِنِينَ، فَسَمِعْتُهُ يُحَدِّثُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، قَالَ:
«كَانَتْ بَنُو إِسْرَائِيلَ تَسُوسُهُمُ الأَنْبِيَاءُ، كُلَّمَا هَلَكَ نَبِيٌّ خَلَفَهُ نَبِيٌّ، وَإِنَّهُ لاَ نَبِيَّ بَعْدِي، وَسَيَكُونُ خُلَفَاءُ فَيَكْثُرُونَ» قَالُوا: فَمَا تَأْمُرُنَا؟ قَالَ: «فُوا بِبَيْعَةِ الأَوَّلِ فَالأَوَّلِ، أَعْطُوهُمْ حَقَّهُمْ، فَإِنَّ اللَّهَ سَائِلُهُمْ عَمَّا اسْتَرْعَاهُمْ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 3455]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Hazim izay nilaza hoe : Niara-nipetraka tamin'I Abo Horaira aho nandritra ny dimy taona, ary nandre azy nitantara tenin'ny Mpaminany (S.A.W) miteny manao hoe :
"Ireo mpaminany no nitondra ny Zanak'Isiraely, ka raha maty mpaminany iray dia tonga mandimby azy mpaminany hafa, ary tsy hisy intsony ny mpaminany handimby ahy, fa kosa hisy ireo mpandimby ahy hitondra azy ireo, Dia hoy izy hoe : Inona no didinao aminay? Dia namaly izy hoe : “Tanteraho ny fanekena tsy hivadika ny voalohany sy ny manaraka azy, ka omeo ny zon'izy ireo, fa hanontany azy Allah ny amin’izay nataony nankininy.”
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 3455]
Nanambara i Mpaminany (S.A.W) fa ny zanak'Israely dia notarihin'ny mpaminany, ary nikarakara ny raharahany izy ireo toy ny fanaon'ny andriana sy ny governora amin'ny olom-peheziny, ary isaky ny misy fahalovana eo amin'izy ireo dia nalefan'I Allah tamin'izy ireo mpaminany hanorina ny raharahany sy hanaisotra ny didy novan’izy ireo. Tsy hisy mpaminany handimby ahy intsony izay hanao araka ny fanaon’ireo olona ireo, ary hisy mpandimby ao aoriako, ka hihamaro izy ireo ary hisy fifandirana sy ny tsy fitovizan-kevitra eo amin’izy ireo. Nanontany ny irak'Allah ireo mpanaradiany hoe : Inona no andidianao anay? Hoy izy : Raha misy kalifa mifandimby manao fanekena; Ny fanekem-pitokisana amin’ny voalohany dia manan-kery ary tsy maintsy tanterahina, ary tsy manan-kery ny fianianan’ny faharoa ary voarara ny mangataka izany amin’izy ireo, omeo ny zon'izy ireo ary mankatoava azy ireo, ary mifandraisa amin’izy ireo amin’ny fihainoana sy fankatoavana tsy misy fahotana, fa Allah no hanontany sy hamoaka azy ireo noho izay ataony taminareo.