+ -

عَنْ جَرِيرٍ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَنْ يُحْرَمِ الرِّفْقَ يُحْرَمِ الْخَيْرَ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2592]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Jarir (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay tsy nahazo ny fahatsoram-po dia tsy nahazo ny hatsarana".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2592]

Ny fanazavana

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa izay tsy manana fahatsoram-po dia tsy hahazo fahombiazana amin'ny raharaha ara-pinoana sy ara-piainana sy amin'ny zavatra rehetra ataony ho amin'ny tenany, ary amin'ny zavatra ataony miaraka amin'ny hafa, dia voarara ho azy ny soa rehetra.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina serbianina Romaniana Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahasoavana azo amin'ny fahatsoram-po sy ny famporisihana amin'ny mba hanana izany toetra izany, ary fanamelohana ny herisetra.
  2. Ny fahatsoram-po no miantoka ny hatsarana eo amin'ny tontolo roa sy ny fanitarana ny raharahany, ary ny herisetra dia mifanohitra amin'izany.
  3. Ny fahatsoram-po dia vokatry ny fitondran-tena tsara sy ny filaminana, ary ny herisetra dia vokatry ny fahatezerana sy ny tsy fahalalam-pomba, noho izany dia nidera avo ny fahatsoram-po ny Mpaminany (S.A.W).
  4. Hoy i Sofyan Al-Thawri -Allah mamindra fo aminy-tamin’ireo namany : Fantatrareo ve ny atao hoe fahatsoram-po? Ny fametrahana zavatra rehetra amin'ny fitoerany, ny fihenjanana amin'ny fitoerany, ny fahatsorana amin'ny fitoerany, sabatra amin'ny fitoerany, ary ny karavasy amin'ny fitoerany.