عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤْمِنينَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا أَنَّهَا قَالَتْ:
مَا خُيِّرَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بَيْنَ أَمْرَيْنِ إِلَّا أَخَذَ أَيْسَرَهُمَا، مَا لَمْ يَكُنْ إِثْمًا، فَإِنْ كَانَ إِثْمًا كَانَ أَبْعَدَ النَّاسِ مِنْهُ، وَمَا انْتَقَمَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِنَفْسِهِ إِلَّا أَنْ تُنْتَهَكَ حُرْمَةُ اللَّهِ، فَيَنْتَقِمَ لِلَّهِ بِهَا.
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 3560]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny hoe :
Tsy nomena safidy ny irak'Allah (S.A.W) teo amin'ny raharaha roa afa-tsy nisafidy ilay moramora amin'izy roa, raha mbola tsy fahotana izany, fa raha ohatra ka fahotana dia izy no olona manalavitra izany indrindra, ary toy izany koa ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy mba namaly faty ny tenany raha tsy voahitsakitsaka ny fahamasinan’I Allah, ka amin’izay dia mamaly faty an’I Allah izy.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 3560]
Ny Renin'ny mpino, Aisha (R.A) dia nitantara ny sasany amin'ireo fitondran-tenan'ny Mpaminany (S.A.W), ary anisan'ny zavatra nolazainy : I Mpaminany (S.A.W) dia tsy nomena safidy teo amin’ny raharaha roa afa-tsy ny mora kokoa tamin’ireo roa ireo no nalainy raha mbola tsy fahotana ilay moramora, fa raha tsy izany dia izy no nanalavitra ny olona ary nifidy izay henjana kokoa. Ary tsy namaly faty ho an'ny tenany manokana i Mpaminany (S.A.W), fa namela sy nandefitra amin'ny zony, raha tsy voahitsakitsaka ny fahamasinan'I Allah, amin'izay dia hamaly faty an'I Allah izy, ary izy no olona tezitra indrindra noho Allah.