+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ قَالَ: سُبْحَانَ اللهِ وَبِحَمْدِهِ، فِي يَوْمٍ مِائَةَ مَرَّةٍ، حُطَّتْ خَطَايَاهُ وَإِنْ كَانَتْ مِثْلَ زَبَدِ الْبَحْرِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6405]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe :
"Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahywa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa na iza na iza miteny in-jato isan’andro hoe : “Soubouhànalloàhy wa bihamdihy = Voninahitra ho an’Andriamanitra ary ho Azy ny dera”; dia voafafa sy voavela ny helony, na dia be aza, tahaka ny rotran-dranomasina fotsy miposaka eny amin’ny ranomasina, rehefa manonja sy misafoaka.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Io valisoa io dia ho azon'izay miteny azy mifanesy na misaraka isan'andro.
  2. Ny (Tasobìhy) Fiderana : dia fanadiovana an’Allah amin’ny tsy fahalavorariana, ary (Alhamdoulillahi) Fiderana : filazana Azy amin'ny fahafenoana tanteraka miaraka amin’ny fitiavana sy ny voninahitra.
  3. Ny tiana holazaina ao amin'ny hadith dia ny famafana ny fahotana madinika, fa ny ny amin'ny fahotana lehibe kosa dia tsy maintsy amin'ny fibebahana.