+ -

عن أبي أيوب رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ قَالَ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ، عَشْرَ مِرَارٍ كَانَ كَمَنْ أَعْتَقَ أَرْبَعَةَ أَنْفُسٍ مِنْ وَلَدِ إِسْمَاعِيلَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 2693]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Ayòb (R.D), niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
"Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, dia Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo, dia toy ny nanafaka olona efatra amin'ny taranak'i Ismael".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay Niteny ny teny hoe : " Là ilàha illal-loàho Wahdahò là Sharìka-lahou lahol-molkou wa lahol-hamdou wa howa an'là kolly Shayin-qadìro," izay midika hoe : Tsy misy tompo marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa aminy, ary Izy dia Ilay manana ny fanapahan-kevitra tanteraka, ary mendrika ny hoderaina sy omem-boninahitra amim-pitiavana sy hajaina ka tsy misy ankoatra azy, ary izy no Mahery Indrindra ary tsy misy tsy vitany. Na izay mamerina izany fahatsiarovana lehibe (Zikri) izany im-polo isan’andro; dia hahazo valisoa mitovy amin’ny tambin’izay nanala ny fanandevozana tamin’ireo andevo efatra tamin’ny taranak’i Ismail bin Ibrahim izy, ary ny taranak’i Ismaela no nisafidiany satria manan-kaja kokoa noho ny hafa izy ireo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahasoavana sy hasin’izany fahatsiarovana izany dia ahitana ny fanavahana an’Allah ilay Tsitoha amin’ny maha-tompo azy, ny fanapahan-kevitra sy ny fiderana ary ny hery feno.
  2. Hahazo valisoa amin'ity Zikry ity izay miteny izany mifampitohy na koa misara-tsaraka.