عن أبي أيوب رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ قَالَ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ، عَشْرَ مِرَارٍ كَانَ كَمَنْ أَعْتَقَ أَرْبَعَةَ أَنْفُسٍ مِنْ وَلَدِ إِسْمَاعِيلَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 2693]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Ayòb (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, ary Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo, dia toy ny nanafaka olona efatra amin'ny taranak'i Ismael".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 2693]

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa izay niteny ny teny hoe : " Là ilàha illal-loàho Wahdahò là Sharìka-lahou lahol-molkou wa lahol-hamdou wa howa an'là kolly Shayin-qadìro," izay midika hoe : Tsy misy tompo marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa aminy, ary Izy dia Ilay manana ny fanapahan-kevitra tanteraka, ary mendrika ny hoderaina sy omem-boninahitra amim-pitiavana sy hajaina ka tsy misy ankoatra azy, ary Izy no Mahery Indrindra ary tsy ny misy tsy vitany. Na izay mamerina izany fahatsiarovana lehibe (Zikri) izany im-polo isan’andro; dia hahazo valisoa mitovy amin’ny tambin’izay nanala ny fanandevozana tamin’ireo andevo efatra tamin’ny taranak’i Ismail bin Ibrahim izy, ary ny taranak’i Ismaela no nisafidiany satria manan-kaja kokoa noho ny hafa izy ireo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahasoavana sy hasin’izany fahatsiarovana izany dia ahitana ny fanavahana an’Allah ilay Tsitoha amin’ny maha-tompo azy, ny fanapahan-kevitra sy ny fiderana ary ny hery feno.
  2. Hahazo valisoa amin'ity fiderana ity izay miteny izany mifampitohy na koa misara-tsaraka.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (64)