+ -

عن معاوية رضي الله عنه قال: سمعت النبي صلى الله عليه وسلم يقول:
«مَنْ يُرِدِ اللهُ بِهِ خَيْرًا يُفَقِّهْهُ فِي الدِّينِ، وَإِنَّمَا أَنَا قَاسِمٌ، وَاللهُ يُعْطِي، وَلَنْ تَزَالَ هَذِهِ الْأُمَّةُ قَائِمَةً عَلَى أَمْرِ اللهِ، لَا يَضُرُّهُمْ مَنْ خَالَفَهُمْ، حَتَّى يَأْتِيَ أَمْرُ اللهِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 71]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Mouawia (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny :
"Izay tian'i Allah hahazo ny hatsarana dia atony mahatakatra ny lafiny ara-pinoana, ary izaho dia Mpizara fotsiny, fa i Allah no Mpanome, ary tsy hitsahatra velively ity vahoaka ity hitsangana amin'ny raharaha momba ny Allah ka tsy hampahory azy ireo izay mitsipaka azy ireo, mandrapahatongan'ny didin'i Allah ".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Manambara i Mpaminany (S.W.A) hoe : izay Tian'i Allah hahazo fahasoavana dia omeny fahalalana sy fomba rehetra mety hazahoana ny fahalalana momba ny finoany, ary Izy (S.W.A) no Mpizara amin'ireo rehetra nomen'i Allah azy amin'ny anjara masoandro sy fivelomana ary ny fahalalana rehetra ankoatr'izany. Ary ny tena Mpanome dia Andriamanitra, ary ho an'ny hafa dia fitaovana fotsiny ka tsy mahasoa raha tsy sitrak'i Allah, ary tsy hitsahatra hiorina amin'ny didin'Allah ity vahoaka ity, ary izay manohitra azy dia tsy mahavita manisy ratsy azy, mandra-pahatongan'ny andro farany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny halehibe sy ny hatsaran'ny fahalalana ara-pinoana, ny fianarana azy ary ny famporisihana amin'izany.
  2. Ny fijorona amin'ny fahamarinana dia tsy maintsy misy amin’ity vahoaka ity, ary raha mandao tsy hanao izany ny vondrona iray, dia hisy vondrona hafa hanao izany.
  3. Ny fahatakarana ny finoana dia anisan’ny fitiavan'Allah ilay Tsitoha hanao soa ny mpanompony.
  4. i Mpaminany (S.AW) dia manome araka ny didin'Andriamanitra sy ny sitrapony ihany, fa tsy manana na inona na inona izy.