Ny sokajy:
+ -


____

[] - []
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdoulloahi An-Noumani Ibno Bachiro (R.A) niteny ka nanao hoe : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.W.A) niteny manao hoe :
" Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara , ary misy ireo Zavatra mitovitovy mety mampisalasala izay tsy fantatry ny maro, ka izay miala amin'ny Zavatra mampisalasala dia ho afaka tsy omena tsiny amin'ny finoany sy ny voninahiny, ary izay latsaka amin'ny Zavatra mampisalasala kosa dia Lavo tany amin'ny zava-pady, toy ny Mpiandry ondry mihina ahitra manodidina ny Zaridaina ka saika hihina ahitra eny ireo Ondry. Eny tokoa, ny Mpanjaka rehetra dia manana Zaridaina. Ary ny Zaridain'ny Tompo Allah dia ireo zava-pady izay Nofaritany. Misy Nofo iray tokoa amin'ny Vatana. Raha tsara izany, dia lasa tsara avokoa amin'ny Vatana, fa raha Simba izany, dia simba avokoa ny Vatana rehetra, tsy inona akory izany fa ny Fo ".

[Mari-pototra] - [رواه البخاري ومسلم] - [الأربعون النووية - 6]

Ny fanazavana

Manazava ny Fitsipika amin'ny fomba Ankapobeny momba ny Zavatra rehetra i Mpaminany (S.A.W), ary mizara telo ny ao amin'ny Làlana dia : Zavatra Azo atao mazava tsara, Zavatra Voarara mazava tsara, ary ireo Mampametra-panontaniana izay tsy mazava ny lalàna mamehy azy hoe azo atao sa voarara, Ka maro amin'ny olona ny tsy mahalala ny momba izany.
Ka izay miala amin’ireo Zavatra ahiahiana momba azy, dia ho Voaro ny Finoany ka tsy tafalatsaka any amin’ny Zava-boarara, ary ny voninahiny dia ho Voaro amin’ny tenin’ny Olona momba ny fanakianana azy noho ny nanaovany izany zavatra mampiahiahy izany. Ary izay tsy miala amin'ny zavatra mampisalasala dia mandatsaka ny tenany any amin'ny zava-boarara, na amin'ny fanimbana ny voninahiny amin'ny fitenenan'ny olona Azy. Nanome Ohatra ny Irak'Allah mba hanehoana ny toe-javatra iainan'ny Olona miahiahy. Toy ny Mpiandry ondry miandry ny ondriny eo akaikin'ny tany narovan'ny tompony izy, ka saika hihinana amin'ilay toerana voaharo ny ondrin'ny Mpiandry ondry noho ny nanakaikaizany izany. Toy izany koa, izay manao Zavatra mampiahiahy, dia manakaiky ny zava-boarara ka mety ho tafalatsaka ao. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny fa misy nofon-kena ao amin'ny vatana (dia ny Fo) ary ny vatana dia ho tsara noho ny fahatsarany ary simba noho ny fahasimbany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny Hadithe dia fitsipika mamehy mba hialana amin'ireo fisalasalana.
  2. Famporisihana hiala amin’ny zavatra mampiahiahy, izay tsy mazava ny lalàna mahakasika Azy.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Italianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina اليونانية الأكانية Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny
Ireo sokajy
Fanampiny