+ -

عن عمر بن الخطاب رضي الله عنه قال: إنه سمع نبي الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«لَو أَنَّكُمْ تَتَوَكَّلُونَ عَلَى اللهِ حَقَّ تَوَكُّلِهِ، لَرَزَقَكُمْ كَمَا يَرْزُقُ الطَّيْرَ، تَغْدُو خِمَاصًا وَتَرُوحُ بِطَانًا».

[صحيح] - [رواه الترمذي وابن ماجه وأحمد] - [مسند أحمد: 205]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
" Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva ".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad]

Ny fanazavana

Mamporisika atsika i Mpaminany (S.W.A) mba hiantehitra mandrakariva amin'Allah ilay avo Tsitoha amin'ny fitadiavana ny zava-tsoa sy fanakanana ireo loza amin'ny raharahan'ny fiainana eto an-tany sy ny finoana, satria tsy misy manome, ary tsy misy manakana, tsy misy mampidi-doza, na manome tombontsoa afa-tsy Izy irery ihany, Voninahitra anie ho Azy. Ary tokony hanao ireo antony rehetra mahasoa sy manala ny ratsy misy isika rehetra miaraka amin'ny fitokisana tanteraka an'Allah, ka rehefa manao izany Isika dia omen'Allah ireo anjaram-pivelomana tahakan'ireo vorona izay mivoaka ny maraina noana, dia miverina ny amin’ny hariva kosa dia voky ny kibony. Ity fihetsiky ny vorona ity dia karazana fomba sy antony iray izay hiezahana mitady ny sakafo hohanina, tsy misy fiankinan-doha sy hakamoana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hatsaran'ny fitokisana, ary izany tokoa no iray amin'ireo antony lehibe indrindra hahazoana ny anjara masoandro.
  2. Ny fahatokisana dia tsy manafoana ny fanatanterana anton-javatra, Satria Nilaza Izy fa ny fahatokisana marina dia tsy mifanohitra velively amin'ny fivoahana maraina sy ny hariva ho fandehanana amin'ny fitadiavana ny anjara masoandro.
  3. Ny mahazava-dehibe ny lalàna Islamika dia miainga amin'ireo asan'ny Fo; Satria ny fitokisana dia asa amin'ny fo.
  4. Ny fifantohana amin'ny antoy fotsiny dia tsy fahampiana ara-pinoana, ary ny fialana amin'ny antony dia midika tsy fahampian'ny Saina.