Ny sokajy:
+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ بُسْرٍ رَضِيَ اللَّهِ عَنْهُ قَالَ: أَتَى النَّبِيَّ رَجُلٌ، فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللَّهِ! إِنَّ شَرَائِعَ الإِسْلَامِ قَدْ كَثُرَتْ عَلَيْنَا، فَبَابٌ نَتَمَسَّكُ بِهِ جَامِعٌ؟ قَالَ:
«لاَ يَزَالُ لِسَانُكَ رَطْبًا مِنْ ذِكْرِ اللَّهِ». وفي رواية: مِنْ حَدِيثِ مُعَاذِ بْنِ جَبَلٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ: آخِرُ مَا فَارَقْتُ عَلَيْهِ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أَنْ قُلْتُ: أَيُّ الأَعْمَالِ خَيْرٌ وَأَقْرَبُ إِلَى اللَّهِ؟ قَالَ: «أَنْ تَمُوتَ وَلِسَانُكَ رَطْبٌ مِنْ ذِكْرِ اللَّهِ عَزَّ وَجَلَّ».

[صحيح] - [رواه أحمد والترمذي وابن ماجه وابن حبان] - [الأربعون النووية: 50]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abdullah Ibn Bosra (R.A) niteny : Nisy lehilahy tonga tany amin'ny Mpaminany ka niteny hoe : Ry Irakan'i Tompo Allah ô ! Lasa maro loatra Amintsika ny lalàn'ny finoana silamo, ka misy zavatra azo atao ve hifikirana Aminy ? Hoy Izy :
Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'i Tompo Allah ny lelanao ".

[Mari-pototra] - [رواه أحمد والترمذي وابن ماجه وابن حبان] - [الأربعون النووية - 50]

Ny fanazavana

Nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny lehilahy iray fa ny fanompoam-pivavahana an-tsitrapo dia nitombo loatra ka tsy afaka nanao izany noho ny fahalemeny izy, avy eo nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) mba hitarika azy ho any amin'ny asa tsotra izay hitondra valisoa lehibe ho azy izay hifikirany sy hazoiny tsara.
Koa nitari-dàlana azy ny Mpaminany (S.A.W) mba hihazona ny lelany malefaka sy mihetsika amin'ny fahahatsiarovana matetika an’I Allah amin’ny fotoana sy ny toe-javatra rehetra. Toy ny fiderana, fisaorana, fitadiavana famelan-keloka, fitalahoana, sy ny hafa ankoatr'izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin'ny fahatsiarovana tsy tapaka an'I Allah ilay Tsitoha.
  2. Iray amin’ireo fahasoavana lehibe avy amin’I Allah ny fanamorana ny fomba hahazoana valisoa.
  3. Samihafa ny olona amin'ny anjarany eo amin'ny lafiny fahamendrehena sy ny fahatsarana.
  4. Ny fahatsiarovana an’I Allah matetika amin’ny lela, ny fiderana, ny fisaorana, ny fanokanana, ny fanomezam-boninahitra, sy ny sisa, miaraka amin’ny fo mirindra, dia maka ny toeran’ny asa fankatoavana an-tsitrapo maro.
  5. Fitsinjovan'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanontany azy tamin’ny famaliana ny tsirairay araka izay sahaza azy.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Amharika Gojratia Kargaria Nepalianina Litoanianina Aldoria serbianina Tajakianina Keniaroandia Hongariana Tsekianina الموري Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny
Ireo sokajy
Fanampiny