عن الْأَغَرِّ رضي الله عنه، وَكَانَ مِنْ أَصْحَابِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«يَا أَيُّهَا النَّاسُ تُوبُوا إِلَى اللهِ، فَإِنِّي أَتُوبُ فِي الْيَوْمِ إِلَيْهِ مِائَةَ مَرَّةٍ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2702]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Al-Aghar, izay iray amin'ireo mpiaradian'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ry olombelona, mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2702]
Mandidy ny olona hibebaka sy hikatsaka famelan-keloka betsaka ny Mpaminany (S.A.W), ary milaza ny momba ny tenany izy fa mibebaka amin'I Allah sy mangataka famelan-keloka mihoatra ny in-jato isan'andro, nefa efa voafafa ny fahotany teo aloha sy ny mbola ho avy, ary ao anatin’izany ny fanetren-tena sy ny fanompoana an'I Allah.