عَنْ بَهْزِ بْنِ حَكِيمٍ عَنْ أَبِيهِ عَنْ جَدِّهِ قَالَ:
قُلْتُ يَا رَسُولَ اللَّهِ: مَنْ أَبَرُّ؟ قَالَ: «أُمَّكَ، ثُمَّ أُمَّكَ، ثُمَّ أُمَّكَ، ثُمَّ أَبَاكَ، ثُمَّ الْأَقْرَبَ فَالْأَقْرَبَ».
[حسن] - [رواه أبو داود والترمذي وأحمد] - [سنن أبي داود: 5139]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Bahz ibn Hakim, tamin'ny rainy, tamin'ny raibeny, niteny manao hoe :
Hoy aho, ry irak'Allah : Iza no hajaiko indrindra? Dia namaly izy hoe : “Reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny rainao, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra.”
[Tsara] - [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 5139]
Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona mendrika hajaina indrindra sy hanaovana asa soa ary iarahana amin'ny hatsarana sy fahaiza-miaina sns : iny, dia ny Reny, ary nanantitrantitra ny zon’ny reniny tamin’ny hafa izy tamin’ny famerimberenana izany intelo. Mba hanehoana ny maha-ambony azy amin'ny olon-kafa rehetra tsy an-kanavaka. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) nanazava hoe iza no olona tokony hajaina manaraka : Avy eo ny ray, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra amin'ny havany, ary ny akaiky kokoa azy no mifandray akaiky kokoa noho ny lavitra indrindra.