+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«السَّاعِي عَلَى الأَرْمَلَةِ وَالمِسْكِينِ، كَالْمُجَاهِدِ فِي سَبِيلِ اللَّهِ، أَوِ القَائِمِ اللَّيْلَ الصَّائِمِ النَّهَارَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 5661]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 5661]

Ny fanazavana

Milaza etoana ny Mpaminany (S.A.W), fa izay mijery ny mahasoa ny vehivavy maty vady, izay tsy manana olona mpikarakara azy, sy ny mahantra izay tena sahirana, ka mamoaka vola ho fanampiana azy ireo, nataony izany rehetra izany mba hahazoany valisoa avy amin'Allah, ny valisoa azony dia tahaka ny azon'ny olona miady amin'ny làlan'Allah, na mivavaka amin'ny alina tsy reraka mihitsy, na koa mifehy tsy manapaka ny fifehezany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina الموري Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana amin'ny fiaraha-miasa, ny fikarakarana ary ny fanampiana ny filan’ny olona marefo sy osa.
  2. Ny fanompoana dia mandrakotra ny asa tsara rehetra, ary anisan’ny fanompoana ny fanampiana ny mananotena sy ny sahirana.
  3. Hoy I Ibn Hobayra : Ny tiana holazaina amin'ny fanambaran'Allah ho azy ny valisoan'ny mpifehy sy mpivavaka amin'ny alina ary mpiady amin'ny làlan'i Allah ho iray; Izany dia noho izy nijoro eo amin'ny mpananotena ho solon'ny vadiny ..., ary nijoro ho an'ilay mahantra izay tsy afaka nijoro ho an'ny tenany, ka nanampy amin'ny heriny sy ny angovony. Ka ny tombontsoa azony amin'izany dia mitovy amin'ny fifehezana sy ny vavaka amin'ny alina ary ny ady masina.