عَنْ أَبَانَ بْنِ عُثْمَانَ قَالَ: سَمِعْتُ عُثْمَانَ ابْنِ عَفَّانَ رضي الله عنه يَقُولُ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«مَنْ قَالَ بِسْمِ اللَّهِ الَّذِي لَا يَضُرُّ مَعَ اسْمِهِ شَيْءٌ، فِي الْأَرْضِ، وَلَا فِي السَّمَاءِ، وَهُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ، ثَلَاثَ مَرَّاتٍ، لَمْ تُصِبْهُ فَجْأَةُ بَلَاءٍ، حَتَّى يُصْبِحَ، وَمَنْ قَالَهَا حِينَ يُصْبِحُ ثَلَاثُ مَرَّاتٍ، لَمْ تُصِبْهُ فَجْأَةُ بَلَاءٍ حَتَّى يُمْسِيَ»، قَالَ: فَأَصَابَ أَبَانَ بْنَ عُثْمَانَ الْفَالِجُ، فَجَعَلَ الرَّجُلُ الَّذِي سَمِعَ مِنْهُ الْحَدِيثَ يَنْظُرُ إِلَيْهِ، فَقَالَ لَهُ: مَا لَكَ تَنْظُرُ إِلَيَّ؟ فَوَاللَّهِ مَا كَذَبْتُ عَلَى عُثْمَانَ، وَلَا كَذَبَ عُثْمَانُ عَلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، وَلَكِنَّ الْيَوْمَ الَّذِي أَصَابَنِي فِيهِ مَا أَصَابَنِي غَضِبْتُ فَنَسِيتُ أَنْ أَقُولَهَا.
[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي وابن ماجه والنسائي في الكبرى وأحمد] - [سنن أبي داود: 5088]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abana bin Othman, izay nilaza hoe : Nandre an'i Othman bin Affan (R.A) aho niteny hoe : Nandre ny irak'Allah (S.A.W) aho niteny manao hoe :
“Izay miteny : Amin’ny anaran’I Allah ilay tsy mahavita manao ratsy ny anarany ireo zava-drehetra na eto an-tany na any an-danitra, Izy ilay mandre sy mahalala, intelo, dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-pahatongavan'ny maraina, ary izay miteny an'izany intelo amin’ny maraina dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-paharivan’ny andro". Hoy izy : Narary i Abana bin Othman, ka nibanjina azy ilay lehilahy nandre ny hadith taminy, dia hoy izy hoe : Nahoana no mijery ahy ianao? Mianiana amin'I Allah aho, fa tsy nandainga tamin'i Othman aho, ary tsy nandainga tamin'ny Mpaminany (S.A.W) koa i Othman, fa tamin'ny andro nisehoan'ny zava-nitranga tamiko dia tezitra aho ka nanadino ny nilaza izany.
[Mari-pototra] - - [Sonan Abo Daòd - 5088]
Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny isan'ny maraina aorian'ny mangiran-dratsy sy amin'ny takariva alohan'ny filentehan'ny masoandro in-telo : (Amin'ny anaran'I Allah) mitady fanampiana sy miaro ny tenako aho amin'ny zavatra manimba rehetra (Izay tsy afaka manisy ratsy) ny fanononana (ny anarany) na inona na inona (zavatra) na inona na inona (eto an-tany) sy ny loza mipoitra avy aminy (na any an-danitra) ary ny loza midina avy any izany (Izy no Mpihaino) ny tenintsika (Ilay Mahalala ny zava-drehetra) momba ny toe-javatra misy amintsika.
. Izay miteny izany amin'ny hariva dia tsy ho voan'ny loza tampoka mandra-maraina, ary izay miteny izany amin'ny maraina dia tsy ho voan'ny loza tampoka mandra-paharivan'ny andro.
Koa voan'ny aretina i Aban bin Othman, ilay mpitantara ny hadith, fahalemen'ny iray amin’ireo tapany roa amin’ny vatana ilay izy, ka talanjona ilay lehilahy nandre ny resaka taminy! Hoy izy tamin-dralehilahy : Nahoana no mijery ahy ianao?! Mianiana amin'I Allah aho, fa tsy nandainga tamin'i Othman aho, ary tsy nandainga tamin'ny Mpaminany (S.A.W) i Othman (R.A), fa tamin'ny andro nitranga tamiko izay notendren'I Allah ho lazaiko, dia tezitra aho ka nanadino niteny ireo teny voalaza ireo.