عَنِ ابنِ عُمَرَ رضي الله عنهما قَالَ:
لَمْ يَكُنْ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَدَعُ هَؤُلَاءِ الدَّعَوَاتِ، حِينَ يُمْسِي وَحِينَ يُصْبِحُ: «اللَّهُمَّ إِنِّي أَسْأَلُكَ الْعَافِيَةَ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ، اللَّهُمَّ إِنِّي أَسْأَلُكَ الْعَفْوَ وَالْعَافِيَةَ فِي دِينِي وَدُنْيَايَ وَأَهْلِي وَمَالِي، اللَّهُمَّ اسْتُرْ عَوْرَتِي -أَو: عَوْرَاتِي- وَآمِنْ رَوْعَاتِي، اللَّهُمَّ احْفَظْنِي مِنْ بَيْنِ يَدَيَّ، وَمِنْ خَلْفِي، وَعَنْ يَمِينِي، وَعَنْ شِمَالِي، وَمِنْ فَوْقِي، وَأَعُوذُ بِعَظَمَتِكَ أَنْ أُغْتَالَ مِنْ تَحْتِي».
[صحيح] - [رواه أبو داود والنسائي وابن ماجه وأحمد] - [سنن أبي داود: 5074]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny manao hoe :
I Mpaminany (S.A.W) dia tsy mbola namela ireto Doan ireto isaky ny hariva sy ny maraina : "Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra, Allah ô! Mangataka famelan-keloka sy fiadanan-tsaina aminao aho amin’ny finoako, ny tontoloko, ny fianakaviako, ary ny harenako, Allah ô, sarono ny kilemako – na : ary arovy ny zava-fahotako, Allah ô, arovy ny eo anoloako sy ny any aoriako, any ankavanako sy ny ankaviako, ary any amboniko ary mangaraka fiarovana aho mba tsy ho vonoina avy ambaniko".
[Mari-pototra] - [Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 5074]
Tsy nandao ireto Doan ireto i Mpaminany rehefa tratry ny hariva sy ny maraina :
(Allah ô, mangataka Aminao aho, ny fahasalamana), sy ny fiarovana amin’ny aretina, ny fahoriana, ny fahasahiranana eo an-tany, ary ny faniriana ara-pinoana sy ny fakam-panahy (eto an-tany sy ny any ankoatra), na ankehitriny na ho avy.
(Allah ô, mangataka famelan-keloka Aminao aho) sy ny famafana ny ota sy ny famelana azy, (ary ny fahasalamana) ary ny fiarovana amin’ny kilema, (amin’ny finoako) amin’ny fanompoan-tsampy, ny forona ary ny tsy fahotana, (ary ny fiainako eto an-tany) toy ny fahorina, loza sy faharatsiana, (sy ny fianakaviako) ny vadiko, ny zanako sy ny havako, (sy ny harenako), ny volako ary ny asako.
(Allah ô, sarony ny henatro) sy ny kilemako, ny fahadisoako, ary ny tsy fahafahako, ary diovy ny fahotako, (ary arovy ny famirapirako), ny tebiteby sy ny tahotro.
(Allah ô, arovy aho) ary arovy amin’ny loza sy ny fahoriana aho, (eo anoloako, ato aoriako, avy eo ankavanako, ankavia, ary avy any ambony) nangataka izy mba hiarovan'I Allah azy amin’ny lafiny rehetra; Satria ny loza sy ny faharatsiana dia mihatra amin'ny olona iray avy amin'ny iray amin'ireo làlana ireo.
(Ary mitady fiarovana amin'ny fahalehibiazanao mba ho vonoina) ka ho voasambotra tampoka, ary tsy ho ringana amin'ny tsy ampoizina (avy ambaniko) ka maty amin'ny faharendrehana.