Lisitr'ireo hadith

Asa dia miainga amin'ny finiavana, ary ny Olona tsirairay dia samy hahazo valisoan'ny fikasany
عربي Anglisy Ordo
“Izay nitondra zava-baovao ato amin’ity raharahantsika ity, izay tsy ao anatiny dia ho lavina
عربي Anglisy Ordo
Ny Islam dia ny fijoronao vavolombelona fa tsy misy tompo afa tsy i Allah irery ihany ary i Mouhammad (S.A.W) no Irany, ny fanangananao ny Swalat, ny famoahanao ny ampahan-karena na ny Zakat, ny fifehezana amin'ny volana Ramadan, ary ny fivahiniana masina any Makkat raha manan-katao amin'izany ianao
عربي Anglisy Ordo
Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy
عربي Anglisy Ordo
fa ny Zon'i Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza
عربي Anglisy Ordo
Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
Izay miteny hoe : Là ilàha illal-làhou, ary tsy mankato ny zavatra hafa ankoatran'i Allah dia fady ny maka ny harenany sy ny ràny fa ny fitsarana azy dia any amin'ny Tompo Allah
عربي Anglisy Ordo
Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'i Allah
عربي Anglisy Ordo
Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny
عربي Anglisy Ordo
Ny Imany na ny finoana dia manana sampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana
عربي Anglisy Ordo
Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao
عربي Anglisy Ordo
Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany
عربي Anglisy Ordo
Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany
عربي Anglisy Ordo
“ Aza mihoa-pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Allah no sady Iraka avy Aminy
عربي Anglisy Ordo
“Tsy ho tena mpino ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ahy mihoatra ny rainy sy ny zanany ary ny olombelona rehetra.”
عربي Anglisy Ordo
“Avelaonareo aho amin'ny zavatra izay tsy natolotro anareo, fa tsy nisy afa-tsy ny fanontaniana sy ny tsy fitovian-kevitra tamin’ireo mpaminaniny no naharendrika ny vahoaka teo alohanareo
عربي Anglisy Ordo
“Ampahafantaro ny olona ny avy aty amiko na dia andininy iray monja aza, ary tantarao ny momba ireo Zanak’Isiraely fa tsy misy tsiny ny amin'izany, ary na iza na iza minia mandainga ny amiko, dia aoka hanomana ny seza hipetrahany mandrakizay ao amin'ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
Moave misy olona mipetraka eo amin'ny sezany ka tonga aminy ny Hadithe avy Amiko dia miteny Izy ka hanao hoe : Atsika efa manana Bokin'i Allah eo anatrehantsika
عربي Anglisy Ordo
Ny ozon’Allah anie ho amin’ny Jiosy sy ny Kristiana, izay naka ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana
عربي Anglisy Ordo
“ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana
عربي Anglisy Ordo
Aza atao fasana ny tranonareo, ary aza atao toeram-pivavahana ihany koa ny fasako, fa mivavaha ho Ahy fa tsy maintsy tonga Amiko ny vavakareo na aiza na aiza misy Anareo
عربي Anglisy Ordo
Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske
عربي Anglisy Ordo
Izaho dia madio eo anatrehan'i Tompo Allah ary tsy mba manana sakaiza na dia iray Aminareo aza, Satria i Tompo Allah efa nandray Ahy ho sakaizany, tahaky ny nadraisany an'i Abrahama (A.S) ho sakaiza
عربي Anglisy Ordo
Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana
عربي Anglisy Ordo
Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana
عربي Anglisy Ordo
“Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy
عربي Anglisy Ordo
“Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ilay fambara tsara.” Hoy izy ireo: Inona no fambara? dia hoy izy : “Ny teny tsara.”
عربي Anglisy Ordo
fantatrareo va inona no lazain'ny Tomponareo ? " Namaly Azy izy ireo ka nanao hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala, ka Niteny indray Izy ny hoe : " Misy amin'ireny Mpanompoko ireny tratra-maraina mino Ahy ary Mpikomy
عربي Anglisy Ordo
“Izay niravaka ody dia nanao ny fanompoan-tsampy”
عربي Anglisy Ordo
“ Eny tokoa, ny fanalana fanahy ratsy, ny tapa-kazo ary ny ody mahery dia fanompoan-tsampy".”
عربي Anglisy Ordo
Izay mankany amin’ny mpisikidy ka manontany azy ny amin’ny zavatra iray, dia tsy ho voaray ny vavaka Swalat izay nataony mandritra ny efapolo alina”
عربي Anglisy Ordo
Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah dia efa nikomy na nanompo sampy
عربي Anglisy Ordo
tena miniana amin'I Allah aho - raha sitrany - mianiana amin'ny fianianako aho ka mahita tsara noho izany, afa-tsy tanterahiko ny onitran'ny fianianako, ary izay tsara kokoa
عربي Anglisy Ordo
Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona
عربي Anglisy Ordo
“Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana
عربي Anglisy Ordo
Misy zavatra roa amin'ny olona mahatonga ny tsy finoana : ny fifandirana momba ny firazanany ary ny fitomaniana amin'ny maty
عربي Anglisy Ordo
Aza mipetraka eo ambonin'ny fasana ianareo, ary aza manao Soalat eo aminy
عربي Anglisy Ordo
Ny anjely dia tsy miditra amin'ny trano misy alika na sary
عربي Anglisy Ordo
Ny anjely dia tsy miaraka amin'ny vondrona izay misy alika na lakolosy
عربي Anglisy Ordo
“ Manatona ny iray Aminareo i Satana ka Miteny manao hoe : Iza no Nahary izao sy izao ? Iza no Namorona izao sy izao ? Mandra-pilazany hoe : Iza no Nahary ny Tomponao ? Koa rehefa tonga amin'izany izy, dia aoka hitady fiarovana amin’i Tompo Allah Ianao ary hitsahatra avy hatrany
عربي Anglisy Ordo
Izay olona nifahavalo amin'olon-tiako dia efa niantso ady aminy Aho, ny zavatra izay farany tiako tanterahin'ny mpanompoko mba hanantonany ahy dia ireo zavatra nataoko didy aminy
عربي Anglisy Ordo
Aoka ianareo hataotra an’I Allah, sy hiaino sy hankatoa, eny fa na dia andevo mainty oditra aza (mitondra anareo), ho hitanareo ao aoriako ny disadisa henjana, ka fikironareo mafy ny fomba amam-panoako, sy ny an’ireo mpandimby ahy, mpitarika, marina
عربي Anglisy Ordo
“Izay miala amin’ny fankatoavana ary misaraka amin’ny vondron'ny maro ka maty, dia maty toy ny fahafatesan’ny olona tamin'ny fotoan'ny fahabadoana
عربي Anglisy Ordo
Tsy misy mpanompo nomen’i Allah fitantanana ny olony, ka maty nefa namitaka ny olom-peheziny, afa-tsy hoe noraran'i Allah aminy ny Paradisa
عربي Anglisy Ordo
“Hisy mpitondra ka ho fantatrareo sy tsy ho ankasitrahinareo, ka izay mahalala dia ho afaka madio (amin'ny fahotana, na fihatsarambelatsihy), ary izay tsy mankasitraka dia ho voavonjy (amin'ny fiarahana mitsokombakomba), fa izay mankasitraka sy manaraka kosa
عربي Anglisy Ordo
“Hisy vokany sy raharaha izay holavinareo.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah ô, inona no andidianao anay? Hoy izy : “Hataonareo izay adidy tokony ho anareo, ary mangataka amin’Allah izay anareo.”
عربي Anglisy Ordo
“Ianareo rehetra dia tompon'andraikitra ka ho anontaniana amin'ny andraikiny
عربي Anglisy Ordo
“Tompo Allah ô, izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka nankasarotra izany tamin'izy ireo dia ankasaroto ihany koa ny momba azy, ary izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka mora sy tsotra tamin'izy ireo dia ankamorao ihany koa ny momba azy
عربي Anglisy Ordo
Ny finoana dia fananarana
عربي Anglisy Ordo
Koa raha Hitanareo izay manaraka andininy mitovitovy amin’izany, dia ireo no nolazain'i Tompo Allah, koa mitandrema amin’izy ireo ihany koa
عربي Anglisy Ordo
Na iza na iza eo Aminareo mahita zava-dratsy manadalo sy miseho, dia aoka Izy hanala sy hanova izany amin’ny Tànany, fa raha tsy vitany kosa ny hanova izany dia aoka hataony amin’ny Lelany, ary raha mbola tsy vitany ihany koa dia aoka hataony amin’ny Fony izany fanobana izany, ary izany no tena malemy sy ambany indrindra eo amin’ny Finoana
عربي Anglisy Ordo
Ohatry ny olona mijoro amin'ny lalànan'Allah sy izay tafalatsaka ao anatiny, dia toy ny andian'olona nandeha sambo ka nanao antsapaka; ka ny sasany nahazo ny toerana ambony ny sasany kosa eny ambany
عربي Anglisy Ordo
Izay miantso amin'ny fahitsina dia hahazo valisoa tahaka ny valisoa ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny valisoany
عربي Anglisy Ordo
Izay manoro làlana amin’ny tsara dia hahazo tahaka ny valisoa azon'ny manao izany
عربي Anglisy Ordo
fa mianiana amin'Allah aho fa ny fitaritan'Allah ny olona iray noho ianao, dia tsara lavitra ho anao mihoatry ny rameva mena
عربي Anglisy Ordo
Izay maka tahaka ny vahoaka iray dia toy izy ireo ihany koa.
عربي Anglisy Ordo
Ny olona dia manaraka ny finoan'ny namany, koa aoka ny tsirairay aminareo hijery izay ho namany
عربي Anglisy Ordo
“Hisy antokon’ny vahoakako hahery, mandra-pahatongan’ny didin’I Allah aminy, ary mbola mandresy izy ireo”
عربي Anglisy Indoneziana
“Ho tonga amin’izy ireo ity finoana ity, tahaky ny fahatongavan'ny alina sy ny atoandro, ary tsy hamela trano madio na feno vovoka Allah, afa-tsy ampidirany an'ity finoana ity
عربي Anglisy Ordo
Niatomboka ny finoana Silamo toy ny vahiny, ary hiverina amin'ny fomba niandohany toy ny vahiny ihany koa, ka sambatra ireo vahiny
عربي Anglisy Indoneziana
“Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahin’i Mohammad eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'Afobe
عربي Anglisy Ordo
“Ry olombelona, ​​mitandrema amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana, satria ny naharendrika ireo vahoaka talohanareo dia ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana
عربي Anglisy Ordo
Rendrika ireo mpihoam-pefy
عربي Anglisy Ordo
“Nianjeran'ny fahatezerana ny Jiosy, ary very làlana ny Kristianina.”
عربي Anglisy Ordo
Nosaratan'i Allah ireo didy momba ny lahatra amin'ireo zavaboary talohan'ny Nanamboaran'i Tompo Allah ireo lanitra sy ny tany teo amin'ny dimy alina taona
عربي Anglisy Ordo
Niteny taminay ilay Irak' Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : Mandritra ny Efapolo andro sy alina
عربي Anglisy Ordo
Ny Paradisa dia akaiky kokoa ny tsirairay Aminareo noho ny tadin-kirarony, ary ny Afobe dia tahaka izany ihany koa.
عربي Anglisy Ordo
“Saron’ny fahafinaretana ny helo, ary saron’ny fahasahiranana ny Paradisa.”
عربي Anglisy Ordo
“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Allah, dia naniraka an’i anjely Jibril (A.S)
عربي Anglisy Ordo
Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
“Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”
عربي Anglisy Ordo
Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah
عربي Anglisy Ordo
Mianina aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Efa hidina eo aminareo ho mpitsara marina i zanak'i Maria, ka hanapaka ny hazo fijaliana, hamono ny kisoa, hanala ny hetra, ary hampamaro ny harena ka tsy misy handray azy intsony ny olona
عربي Anglisy Ordo
Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany
عربي Anglisy Ordo
Ny doboko (bassin) dia halaviran-dàlana iray volana, fotsy noho ny ronono ny ranony, manitra noho ny misk
عربي Anglisy Ordo
Aseho amin'ny endrika ondry lahy mana-tandroko ny fahafatseana
عربي Anglisy Ordo
Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva
عربي Anglisy Ordo
“Misy fahasoavana roa no adinodinon'ny olona maro : Ny fahasalamana sy ny fanànana fotoana malalaka.”
عربي Anglisy Ordo
“Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”
عربي Anglisy Ordo
Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo
عربي Anglisy Ordo
Tandremonareo ny tsy rariny, fa ny tsy rariny dia ho maizina amin'ny andro farany, ary tandremo ny fahirana, satria ny fahirana no naharendrika ireo talohanareo
عربي Anglisy Ordo
Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony
عربي Anglisy Ordo
Eny tokoa, fa i Tompo Allah dia nanoratra ny Asa tsara sy ny Asa ratsy, ary avy eo dia nazavainy avokoa izany. , ka na iza na iza mikasa ny hanao Asa soa nefa raha tsy nahavita nanao izany Izy, dia lasa efa nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa tanteraka izany, fa raha nikasa hanao izany Izy, dia nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa folo izany, ka hatramin’ny Fito in-jato, na im-betsaka, ary na iza na iza mikasa ny hanao ratsy nefa tsy nanao izany, dia hosoratan’i Tompo Allah ho Asa tsara tanteraka izany ary nosoratany ho Asa ratsy iray ho Azy izany .”
عربي Anglisy Ordo
izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany
عربي Anglisy Ordo
Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay
عربي Anglisy Ordo
Raha nanaiky ny finoana Islamo Ianao dia ho voaray avokoa ireo tsara izay Nataonao
عربي Anglisy Ordo
“ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy maintsy homena Azy eto an-tany ary hovalian-tsoa amin’izany ihany koa Izy any ankoatra
عربي Anglisy Ordo
Ry zanak’i Adama, raha mbola mangataka amiko sy manantena Ahy ianao, dia hamela anao Aho ary tsy raharahako
عربي Anglisy Ordo
Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako
عربي Anglisy Ordo
“Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ouzò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah
عربي Anglisy Ordo
“Eny tokoa fa Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany amin’ny alina mba hamela heloka ny mpanota amin’ny atoandro, ary mamelatra ny tànany amin’ny atoandro mba hamela heloka ny mpanota amin’ny alina, mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana”
عربي Anglisy Ordo
Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany
عربي Anglisy Ordo
Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara
عربي Anglisy Ordo
“Aza manompa ny mpanara_diako, fa raha manao fandanina volamena mitovy amin’ny Ohod ny iray aminareo, dia tsy ho tonga amin’ny ezaka iray nataon'izy ireo, na dia ny antsasany aza.”
عربي Anglisy Ordo
O ry ankizy! hampianariko teny maromaro ianao : Arovy Allah dia hiaro anao Izy; Arovy Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka ianao dia mangataha amin'Allah; raha hangata-pitahiana kosa ianao dia mangataha fitahiana amin'Allah
عربي Anglisy Ordo
lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”
عربي Anglisy Ordo
Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo
عربي Anglisy Ordo
izay Olona manao fidiovana masina (Ouzo) ka nataony tsara ammim-pahamendrena izany, dia hivoaka amin'ny vatany ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony
عربي Anglisy Ordo
Madio ny ranony, ary azo hanina ny hazandrano maty ao
عربي Anglisy Ordo
Raha feno kollatainy ny rano dia tsy hitondra fahalotoana hoa azy
عربي Anglisy Ordo
“Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’ny Kiblat ary aza miamboho azy, fa aleo miantsinanana na miankandrefana.”
عربي Anglisy Ordo
“Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminareo rehefa mipipy, na misasa ny henatrany amin’ny tànany havanana, na miaina ao anaty vilia”
عربي Anglisy Ordo
“Raha mifoha amin’ny torimasony ny anankiray aminareo, dia aoka izy hitsoka ny orony (manadio ny orona) intelo, fa i Satana mandry eo am-bavorony mandritra ny alina”
عربي Anglisy Ordo
Ny Mpaminany (S.A.W), dia mandro tamin'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy fatra, ary nanao ozo tamin'ny "modd" iray izy
عربي Anglisy Ordo
“Tsy eken’i Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”
عربي Anglisy Ordo
Nisy lehilahy iray nanao ouzò ka namela toerana mitovy amin'ny hoho teo amin’ny tongony, Nahita azy ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Miverena ary manaova fidiovana (ouzò) tsara.” Niverina nanao ozò izy avy eo dia nanao soalat
عربي Anglisy Ordo
Loza ho any amin'ny afobe izay tsy nanasa ny voditongony ary ataovy tsara ny Ozò
عربي Anglisy Ordo
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò isaky ny soalat
عربي Anglisy Ordo
Nanao ouzò ny Mpaminany (S.A.W) ka nataony indray mandeha indray mandeha avokoa
عربي Anglisy Ordo
Ny Mpaminany (S.A.W) nanasa indroa, indroa tamin'ny ouzò
عربي Anglisy Ordo
izay manao ouzò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha
عربي Anglisy Ordo
“Rehefa manao Ouzo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo
عربي Anglisy Ordo
Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka
عربي Anglisy Ordo
Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'zho bika minal-khobthi wal-khabàiith - izay midika hoe : Allah ô, mangataka fiarovana aminao aho amin’ireo devoly lahy sy devoly vavy
عربي Anglisy Ordo
Rehefa nivoaka avy tao amin'ny lavapiringa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : " Ny famelanao ry tompo Allah
عربي Anglisy Ordo
Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah
عربي Anglisy Ordo
Rehefa mifoha amin'ny alina ny Mpaminany (S.A.W), miborosy ny vavany amin'ny siwak
عربي Anglisy Ordo
Raha tsy ho lasa enta-mavesatra amin'ny mpino - na : ho an'ny vahoaka - dia nandidy azy ireo aho hampiasa ny siwak isaky ny hanao Swalat aho
عربي Anglisy Ordo
“Manan-jo handro indray mandeha isaky ny fito andro ny mpino silamo tsirairay, izay hanasany ny lohany sy ny vatany mandritra izany”
عربي Anglisy Ordo
Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika
عربي Anglisy Ordo
Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "Madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò izy
عربي Anglisy Ordo
Isaky ny mandro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa ny tànana roa, avy eo nanao ozò tahaky ny ozò amin'ny soalat, avy eo dia nandro
عربي Anglisy Ordo
“Ampy ho anao raha niteny tamin’ny tànanao roa toy izao sy izao.” avy eo izy dia nikapoka ny tany tamin'ny tanany roa indray mandeha, avy eo nisafo ny tànana havia amin'ny havanana, ary ny ivelan'ny felatànany roa sy ny tarehiny
عربي Anglisy Ordo
Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana
عربي Anglisy Ordo
izany dia lalan-drà izany, fa atsaharo ny fivavahana Soalat mandritry ny andro naha-fadim-bolana anareo, dia avy eo mandroa ary mivavaha”
عربي Anglisy Ordo
“Raha misy aminareo maheno zavatra ao an-kibony, ka misalasala izy raha nisy zavatra nivoaka avy ao na tsia, dia tsy tokony hiala ao amin’ny moske izy raha tsy mandre feo na mamerovero fofona.”
عربي Anglisy Ordo
“Raha nisotro amin’ny vilian'iray aminareo ny alika, dia aoka ho sasany im-pito izany.”
عربي Anglisy Ordo
Raha miteny ny mpiantso amin'ny Azan hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar, ka niteny ny iray aminareo hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar
عربي Anglisy Ordo
“Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny Azan ianareo, dia lazao izay lazainy, dia mivavaha ho ahy, fa izay mivavaka indray mandeha ho ahy
عربي Anglisy Ordo
“Izay miteny rehefa mandre ny mpiantso hoe: ‘Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho, wa anna mohammadan a'bdoho warasòloho, Radÿto billàhi Rabban Wabimohamadin Rasòlan wa Bil-Islami Dìnan, dia ho voafafa ny fahotany
عربي Anglisy Ordo
Tsy lavina ny Doan eo anelanelan'ny Azan sy ny iqamah
عربي Anglisy Ordo
Maheno fiantsona (Azan) ve ianao? Hoy izy : “Eny.” dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “dia valio ny antso.”
عربي Anglisy Ordo
“Hitanareo ve fa raha nisy renirano teo am-baravaran’ny anankiray aminareo izay nandroany in-dimy isan’andro, moa ve sahy hilaza ianareo fa mbola tavela loto eo aminy
عربي Anglisy Ordo
asa inona no tena tian'Allah? Hoy izy : “Ny fivavahana amin’ny fotoana voatondro” Hoy izy : Inona aorian'izany? Namaly izy : “ny fanaovan-tsoa amin’ny ray aman-dreny.” Hoy izy : “Dia inona aorian'izany? namaly izy : “Jihad amin’ny làlan’Allah.”
عربي Anglisy Ordo
“Tsy misy mpino silamo izay manatanteraka Swalat dimy, tsy ka manao ozò tsara, tamim-pahatahorana, fiankohofana tsara, dia hamafa ny ota vitany teo aloha, raha tsy nanao fahotana lehibe izy, ary izany dia mandavan-taona.”
عربي Anglisy Ordo
Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe
عربي Anglisy Ordo
Ny Swalat sy izay eo ambany fahefanareo
عربي Anglisy Indoneziana
“Didio hivavaka ny zanakareo rehefa feno fito taona, ary kapohy izy raha vao folo taona, ary saraho eo am-pandriany izy ireo”
عربي Anglisy Ordo
“Niteny Allah ilay Tsitoha manao hoe : Nozaraiko roa ny soalat eo Amiko sy ny Mpanompoko, ary azon’ny mpanompoko izay angatahiny
عربي Anglisy Ordo
“Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”
عربي Anglisy Ordo
Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan-tsampy ary ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana soalat
عربي Anglisy Ordo
“Ry Bilal ô! Atsangano ny soalat, ampakao sasatra amin'alalan'izany izahay”
عربي Anglisy Ordo
Allah ô, halaviro amin’ny fahotako aho tahaka ny nanalaviranao ny Atsinanana sy Andrefana
عربي Anglisy Ordo
Ny irak'I Allah dia manangana ny tànany eo an-tsorony rehefa manokatra ny fivavahana,
عربي Anglisy Ordo
Tsy misy soalat ho an'izay tsy mamaky ilay fanokafana ny Boky - Sourat Al-Fatiha
عربي Anglisy Ordo
Miverena mivavaka ianao, satria tsy mba nivavaka”
عربي Anglisy Ordo
Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Ny vavaka ataoko no mitovy kokoa amin'ny vavakin'ny irak'Allah raha oharana amin'ny anareo, ary toy izany no vavaka nataony mandra-pialany teto an-tany
عربي Anglisy Ordo
“Nodidiana aho hiankohoka amin’ny taolana fito
عربي Anglisy Ordo
Ny maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia amin'ny matonalina
عربي Anglisy Ordo
Fa ho hitanao tokoa ny Tomponareo tahaka ny fahitanao ity volana ity, Aza manahy ianareo ny amin’ny fahitana azy
عربي Anglisy Ordo
Izay nanao vavaka amin'ny fotoana mangatsiatsiaka roa dia miditra amin'ny Paradisa
عربي Anglisy Ordo
Na iza na iza ny manao ny Vavaka maraina (Soalat Sobhy) dia eo ambanin'ny fiarovan'i Tompo Allah
عربي Anglisy Ordo
Izay namela tsy nanao Swalat Asri dia ho zava-poana ny asa fanoampoana vitany
عربي Anglisy Ordo
Izay nanadino nanao soalat dia aoka izy hanao izany rehefa mahatsiaro azy. Tsy misy fanoloana izany afa-tsy izany fanefana azy
عربي Anglisy Ordo
“Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza
عربي Anglisy Ordo
Rehefa nanandratra ny lamosiny avy niankohoka ny irak’Allah (S.A.W), dia miteny hoe : “Samiallaho liman hamidah - Henon’Allah izay nidera Azy
عربي Anglisy Ordo
Ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny teo anelanelan'ny fiankohofana roa : "Rabbighfirli Rabbighfirli - Tompoko ô!, Mamelà ahy, Tompoko ô!, Mamelà ahy
عربي Anglisy Ordo
i Mpaminany (S.A.W) dia miteny eo anelanelan'ny fiankohofana roa hoe : "Allahomma- ghfirlì, warhamnì, wa à'finì, wahdinì, warzoqnì
عربي Anglisy Ordo
“Rehefa hivavaka ianareo dia ahitsio ny filaharanareo, ary aoka hitarika anareo ny iray aminareo, ka raha miteny izy hoe “Allaho Akbar” dia mitenena koa ianareo hoe “Allaho Akbar”
عربي Anglisy Ordo
Nampianatra ahy ny Tashahhoud ny Irak'allah (S.A.W) tamin'izany ny tanako teo anelanelan'ny tanany, tahaka ny nampianarany ahy ny Sorah avy ao amin'ny kor’any
عربي Anglisy Ordo
Allahomma Innì Aò'zho bika min a'zhàbil-qabri, wamin a'zhàbin-nàri, wamin fitnatil-mah'yà wal-mamàti, wamin fitnatil-masihid-dajjàl
عربي Anglisy Ordo
aoka ianao hiankohoka betsaka amin'I Allah, satria tsy miankohoka eo amin'I Allah ianao amin'ny fiankohofana iray afa-tsy hoe ampiakarin'I Allah ny voninahitrao, ary hamafany ny fahotanao
عربي Anglisy Ordo
Tsy misy soalat manoloana ny sakafo efa vonina, na ho n'izay poretin'ny loto roa
عربي Anglisy Ordo
izany dia devoly antsoina hoe Khinzab, ka raha tsapanao izy dia mitadiava fiarovana amin’Allah amin’izany, ary tsofy amin’ny tànanao ankavia intelo
عربي Anglisy Ordo
“Ny olona mangalatra ratsy indrindra dia izay mangalatra ny soalat ataony.” Niteny izy hoe : “Ahoana ny fomba ataony mangalatra ny soalat-ny? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy mahafeno ny fihondrehany na ny fiankohofany.”
عربي Anglisy Ordo
“Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”
عربي Anglisy Ordo
“Raha misalasala ny amin’ny vavaka ataony ny iray aminareo, ka tsy fantany hoe telo sa efatra rakat vitany, dia aoka izy hanaisotra ny fisalasalana, ary hanao izay azony antoka, avy eo izy miankohoka indroa alohan’ny famaranana (salam)
عربي Anglisy Ordo
Ny andro tsara indrindra niposahan'ny masoandro dia ny andro zoma
عربي Anglisy Ordo
Izay nandro tamin’ny andro zoma tahaky ny fandroana amin’ny Djanaba avy eo nandeha any amin’ny moske, dia ahazo valisoa tahaky ny nanao sorona rameva
عربي Anglisy Ordo
Allahoumma antas-salàmo wa minkas-salàmo Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo
عربي Anglisy Ordo
irak'Allah (S.A.W) dia mamerimberina ireo rehetra ireo isaky ny vita Soalat
عربي Anglisy Ordo
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) isaky ny aorian'ny soalat tsy maintsy atao
عربي Anglisy Ordo
“Izay manome voninahitra an’i Allah (soubhanallah) in-telo amby telopolo isaky ny aorian’ny swalat, ary midera an’I Allah (alhamdolillah) intelo amby telopolo, ary (Allaho Akbar)’ in-telo amby telopolo, izany dia sivy amby sivifolo, ary miteny amin'ny fahazatony hoe : "Lailaha Illallaho wahdaho La sharika laho, Lahol-molko walahol-hamdo wahowa ala-kolli Sha'in kadir, dia ho voafafa ny fahotany na dia toy ny rotran-dranomasina aza
عربي Anglisy Ordo
Izay mamaky ny Ayatol-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no tsy hidirany ao amin'ny paradisa
عربي Anglisy Ordo
Azoko tamin'i Mpaminany (S.A.W) ny vavaka 10 Rakà
عربي Anglisy Ordo
Eo anelanelan'ny Azan roa dia misy swalat avy eo izy dia niteny tamin'ny fahatelo manao hoe : "Ho an'izay mila izany
عربي Anglisy Ordo
Rehefa miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hanao soalat roa raka'at avy hatrany mialohan'ny hipetrahany
عربي Anglisy Ordo
Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao
عربي Anglisy Ordo
Manaova Soalat mitsangana ianao, fa raha tsy vitanao izany dia mipetraha, ary raha tena tsy vitanao dia matoria
عربي Anglisy Ordo
Ny soalat ato amin'ity moske-ko ity dia tsara noho ny soalat arivo atao any amin'ny moske hafa, afa-tsy ny Moske Masina Al-Haram
عربي Anglisy Ordo
Izay manamboatra moske ho an’Allah, Allah dia hanamboatra tahaka izany ao amin’ny Paradisa ho azy”
عربي Anglisy Ordo
“Tsy misy tompon’ny volamena na volafotsy izay tsy mahaloa izay tokony haloany, raha tsy amin’ny Andron’ny Fitsanganana amin’ny maty no hovelarana takela-afo
عربي Anglisy Ordo
Tsy misy fanomezana natao na navoaka amin'ny hafa ka lasa nampihena ny harena, ary tsy mampitombo ny voninahitry ny Mpanompo iray ny Tompo Allah afa-tsy amin'ny famelana misy teo Aminy, ary tsy misy Olona manetry tena eo anatrehan'i Tompo Allah afa-tsy hoe vonona hanandratra Azy avo i Tompo Allah
عربي Anglisy Ordo
“Hoy Allah : Manomeza, ry zanak’i Adama, dia hanome ho anao koa Aho”
عربي Anglisy Ordo
Raha namoaka vola fandaniana ho an'ny ankohonany ny lehilahy iray ary manantena valisoa avy amin'i Allah dia voasokajy ho Swadakat izany
عربي Anglisy Ordo
Raha maty ny olona iray, dia tapaka ny asany afa-tsy telo : ny fanomezana mitohy maharitra, ny fahalalana mahasoa, na ny zaza hendry izay mivavaka ho azy
عربي Anglisy Ordo
“Ny taratasy amin'ny volamena dia zanabola, afa-tsy ny ity sy ny ity, ary ny varim_bazaha dia zana-bola amin’ny varim_bazaha, afa-tsy ity sy ity, ary ny voamaina dia zana-bola ho voamaina, afa-tsy ity sy ity, ary ny daty dia zana-bola amin'ny daty , afa-tsy ity sy ity
عربي Anglisy Ordo
“Nodidian’ny Mpaminany (S.A.W) famoahana ny zakatol-fitr SWAA amin’ny antrendry na SWAA amin’ny voa maina, mamoaka an’izany avokoa ny andevo sy ny olon-tsotra, lahy sy ny vavy ary ny lehibe sy ny ankizy amin’ireo mpino silamo, ary nandidy ny hamoahana izany mialohan'ny hivoahan'ny olona mamonjy ny Soalat Eid”
عربي Anglisy Ordo
“Ry olombelona, ​​mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, ​​dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”
عربي Anglisy Ordo
Ry olombelona, Tompo Allah dia madio, ary tsy mandray (asa) afa tsy izay madio ihany, ary hamafisina fa ny zavatra nanirahan’I Allah ireo Iraka
عربي Anglisy Ordo
Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony
عربي Anglisy Ordo
Allah dia hamindra fo amin'izay olona miantra rehefa mivarotra, na mividy, na mitrosa
عربي Anglisy Ordo
“Nisy lehilahy iray zatra mampindrana vola tamin’ny olona, ​​ka niteny tamin’ny zanany izy hoe: raha sendra olona sahirana ianao, dia mamelà ny helony, fa angamba hamela ny helontsika ihany koa I Allah
عربي Anglisy Ordo
“Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany
عربي Anglisy Ordo
Niteny Allah manao hoe : Ny asa soa rehetra ataon'ny zanak'i Adama dia azy afa tsy ny fifehezana, Izy io dia ho ahy ary ny tenako no hamaly soa ny aminy
عربي Anglisy Ordo
Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha
عربي Anglisy Ordo
Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly
عربي Anglisy Ordo
“Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”
عربي Anglisy Ordo