+ -

عَن أَبِي أُمَامَةَ قَالَ: حَدَّثَنِي عَمْرُو بْنُ عَبَسَةَ رضي الله عنه أَنَّهُ سَمِعَ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«أَقْرَبُ مَا يَكُونُ الرَّبُّ مِنَ العَبْدِ فِي جَوْفِ اللَّيْلِ الآخِرِ، فَإِنْ اسْتَطَعْتَ أَنْ تَكُونَ مِمَّنْ يَذْكُرُ اللَّهَ فِي تِلْكَ السَّاعَةِ فَكُنْ».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي والنسائي] - [سنن الترمذي: 3579]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Omama niteny izy : Nitantara tamiko i Amro bin Abasa (R.A) nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) izy niteny manao hoe :
"Ny maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia amin'ny matonalina, koa raha afaka ny ho isan'ireo izay mahatsiaro an'I Allah amin'izany ora izany ianao, dia aoka hanao izany".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì] - [Sonan At-Tirmizì - 3579]

Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fotoana maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia ao amin'ny ampahatelon'ny alina farany. Ka raha nohamevanina amin'izany ianao – ry mpino – sy afaka ho isan’ireo mpanao fanompoana, mpivavaka, mpahatsiaro ary mpibebaka amin’io fotoana io, dia zavatra tokony hararaotina izany sy hanaovana ezaka.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina serbianina Romaniana Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mamporisika ny mpino silamo mba hanao Zikr amin'ny faran'ny alina.
  2. Tsy mitovy lanjan'ny samy fotoana hoentina hanaovana zikr sy hataka ary ny vavaka.
  3. Nilaza i Mirk : Momba ny maha-samihafa ny teniny hoe : “Ny fotoana maha akaiky ny Tompo amin’ny mpanompo” sy ny teniny hoe : “Ny maha akaiky ny mpanompo amin’ny Tompony dia rehefa izy miankohoka” : Ny tiana ho lazaina eto dia ny fanazavana ny fotoana maha akaiky kokoa ny Tompo amin’ny mpanompo, dia ny matonalina, ary ny tiana ho lazaina ery dia ny fanazavana ny toetoetra maha akaiky ny mpanompo amin’ny Tompo, dia izy eo am-piankohofana.