+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ مَالِكٍ ابْنِ بُحَيْنَةَ رضي الله عنه:
أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ إِذَا صَلَّى فَرَّجَ بَيْنَ يَدَيْهِ حَتَّى يَبْدُوَ بَيَاضُ إِبْطَيْهِ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 390]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Malik Ibn Bohaina (R.A) niteny hoe :
Rehefa nivavaka ny Mpaminany (S.A.W), dia namelatra ny tànany ka hita hatramin'ny fotsin’ny lambany eny amin'ny elika.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 390]

Ny fanazavana

Rehefa niankohoka i Mpaminany (S.A.w), dia namelatra ny tànany teo am-piankohofana; ka nosarahany tamin'ny vatany ny tànany tsirairay, toy ny elatra roa, mandra-pahitana ny hafotsin'ny lokon’ny elikany. Izany dia fanitarana ny tànany roa amin'ny vatany sy ny fanalavirana azy amin'ny ankilany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana الموري Oromianina Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ity fihetsika ity dia tsara eo am-piankohofana, izay manalavitra ny tànany roa ambony amin'ny vatany.
  2. Ny olona mpivavaka manaraka aoriana izay manelingelina ny namany dia tsy mahazo manao io fihetsika io.
  3. Misy fahendrena sy tombontsoa maro ny fitandremana amin’ny fiankohofana, ao anatin’izany ny : fanehoana ny fahavonoana sy faniriana hivavaka, ary raha miantehitra amin’ny rantsambatana rehetra amin’ny fiankohofana dia samy mahazo ny anjara fanompoany ny rantsambatana tsirairay. Voalaza koa : Ny fahendrena amin’izany dia mitovy amin’ny fanetren-tena, ary mandaitra kokoa amin’ny fihazonana ny handriny sy ny orona tsy ho eo amin’ny tany, ary koa mba hiavaka amin’ny rantsambatana tsirairay.