+ -

عَنْ أَنَسِ بْنِ مَالِكٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«الدُّعَاءُ لاَ يُرَدُّ بَيْنَ الأَذَانِ وَالإِقَامَةِ».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي والنسائي] - [سنن الترمذي: 212]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy lavina ny Doan eo anelanelan'ny Azan sy ny iqamah."

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì] - [Sonan At-Tirmizì - 212]

Ny fanazavana

Nanazava ny hasin'ny Doan eo anelanelan'ny Azan sy ny iqamah i Mpaminany (S.A.W), satria izy io dia tsy holavina ary hovaliana, koa mivavaha amin'I Allah momba izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin'io fotoana io dia ny Doan.
  2. Raha mifikitra amin’ny fitalahoana ny mpivavaka, ka mikasa ny toerana misy azy sy ny fotoany tsara, manalavitra ny tsy fankatoavana an’I Allah, miaro ny tenany amin’ny fisalasalana sy ny tsy fitokisana, ary manana finoana tsara an’I Allah: dia mendrika ny hovaliana izy, raha sitrak’Allah.
  3. Hoy i Al-Manawi momba ny valin'ny Doan : Izany hoe, rehefa avy nanangona ny fepetra sy ny andry ary ny etikety amin'ny fitalahoana, raha tsy hita ny iray amin'izy ireo, dia tsy manan-tsiny afa-tsy ny tenany ihany izy.
  4. Valiny ny fitalahoana : Na ho faingana ho azy ny fitalahoany, na hiala aminy ny ratsy tahaka izany, na ho voavonjy ho azy any ankoatra. Izany dia araka ny fahendren’I Allah sy ny famindram-pony.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Alimanina Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Aldoria serbianina Keniaroandia Romaniana Hongariana الموري Oromianina Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny