+ -

عن عائشة رضي الله عنها قالت: سمعتُ من رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول في بيتي هذا:
«اللَّهُمَّ مَنْ وَلِيَ مِنْ أَمْرِ أُمَّتِي شَيْئًا فَشَقَّ عَلَيْهِمْ فَاشْقُقْ عَلَيْهِ، وَمَنْ وَلِيَ مِنْ أَمْرِ أُمَّتِي شَيْئًا فَرَفَقَ بِهِمْ فَارْفُقْ بِهِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1828]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny hoe : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.W.A) niteny tato an-tranoko ity manao hoe :
“Tompo Allah ô, izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka nankasarotra izany tamin'izy ireo dia ankasaroto ihany koa ny momba azy, ary izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka mora sy tsotra tamin'izy ireo dia ankamorao ihany koa ny momba azy".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nangataka tamin'Allah (S.A.W) ho an’ ny Olona rehetra izay niandraikitra ny raharahan'ny mpino silamo, na kely na lehibe, ary izany andraikitra izany dia fiahiana amin'ny ankapobeny, na fiahiana amin'ny ampahany na manokana, ka nankasarotra tamin’izy ireo izy no sady tsy tsara fanahy tamin’izy ireo, dia Allah ilay avo Tsitoha hamaly azy mitovy amin'izay nataony dia hankasarotra izany aminy.
Ary izay nalemy fanahy amin’izy ireo sy manamora ny raharahany, dia ho tsara fanahy aminy i Allah ary hanamora ny raharahany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Voadidy amin'izay mitantana ny raharahan'ny mpino silamo ny halefaka amin'izy ireo arak'izay vitany.
  2. Ny valisoa dia mifanaraka amin'ny asa atao.
  3. Ny fifandanjana amin'izay heverina ho fahalemem-panahy na henjana dia izay tsy mifanohitra amin'ny boky masina Koroany sy ny Sounnah.